Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahafo i Jesôsy sy ny fitsipi-pitondrantenany.

Daty
Alarobia 04 June 2025

 "Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa." - Fil. 2:4,5.

Mofon’aina:
Tsy misy fenitra ampianarin'ny filazantsara mahakasika ny   fitsipi-pitondrantena afa-tsy ny toetran'Andriamanitra izay tanteraka sy ny Sitrapony. Takin'Andriamanitra ny hanarahan'ny voariny ny Sitrapony. Fahotana ny tsy fahatanterahan-toetra, ary ny ota no fandikana ny lalàna. Ao amin'Andriamanitra ny toetra tsara rehetra izay tonga lafatra sy mirindra tsara. Manana tombontsoa hanana ireo toetra ireo izay rehetra mandray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana. (...) 

Be voninahitra manao ahoana re ireo tombontsoa fanararaotra marobe atao eo anoloan'ny taranaka lavo! Nasehon'Andriamanitra tamin'ny olombelona ny fahamboniana mety ho tratran'izy ireo; amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no anandratana azy hiala amin'ny toerana mahonena misy azy mba ho voadio sy sarobidy lavitra noho ny volamena avy any Ofira. Azon'izy ireo atao ny ho tonga mpiara-dia amin'ireo anjely ao amin'ny voninahitra ary koa ny haneho taratra ny endrik'i Jesôsy Kristy ka hamirapiratra amin'ny famirapiratan'ny seza fiandrianana mandrakizay. Tombontsoa omena azy ny hanana finoana fa hovana tsy mety maty izy amin'ny alalan'ny herin'i Kristy. Eo anatrehan'izany anefa, dia zara raha tsapany ny fahamboniana mety ho tratrany raha avelany hitari-dalana azy isaky ny indray mandingana Andriamanitra! 

Omen'Andriamanitra fahalalahana hitana ny maha-izy azy ny tsirairay. (...) Ireo izay maniry ny hanana saina sy toetra voaova dia tsy tokony hijery ny hafa fa hibanjina ilay Ohatra avy any an-danitra. (...)

 Ilay zavatra rehetra sy ao amin'ny zavatrarehetra no Ohatra ho antsika, Ilay Kômandin'ireo arivoarivo, Ilay manana fahamboniana tsy manam-paharoa. Tamim-pitiavana no netezany hiaina tahaka antsika (...) mba ho azon'izao rehetra izao hotahafina ny Fiainany. Tafaray tao amin'i Kristy ny harena sy ny fahantrana, ny fiandrianana sy ny fietrena, ny fahefana tsy voafetra sy ny fahalemem-panahy ary ny fanetren-tena, izay ho hita taratra eo amin'ny fanahy rehetra mandray Azy. Tao Aminy, tamin'ny alalan'ireo fahaiza-manao sy ny fisainana maha-Olona Azy, no nanehoana ny fahendren'ny Mpampianatra lehibe indrindra izay tsy mbola fantatr'izao tontolo izao. - ST, 3 Septambra 1902.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal