Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny drafitr’Andriamanitra hisorohana ny fahantrana

Daty
Alahady 08 June 2025

 «Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin 'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin 'izay tsy namboarinareo. (...) Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra.» - Lev. 25:11,14.

Mofon’aina:
Teo amin'ny drafitra nataon' Andriamanitra ho an'ny Isiraely   dia samy nanana trano tany an-tsaha ny fianakaviana tsirairay, miaraka amin'ny tany ampy hambolena. Samy voaomana tamin'izany fomba izany izay ilaina sy izay hampaharisika ny olona hanana fiainana mahasoa sy mazoto ary mahavita tena. Ary tsy mbola nisy hevitra avy tamin'olombelona afaka nanatsara io drafitra io. Ny fialan'izao tontolo izao tamin'io drafitra io no anton'ny fahantrana sy ny fijaliana ankehitriny, eo amin'ny lafiny maro.

Rehefa tafaorina teo amin'ny tany Kanàna ny Isiraely, dia nozaraina tamin'ny vahoaka manontolo ny tany. Ny Levita ihany, tamin'ny maha-mpanao fanompoana azy teo amin'ny fitoerana masina, no tsy nahazo anjara tamin'io fizarana mitovy io. Nisaina ny fianakaviana tao amin'ny foko, ary nomena anjara lova ny fianakaviana tsirairay araka ny isan' olona tao.

Ary na dia azon'ny olona iray nam-'piasaina tamin'izay nitiavany azy aza ny fananany tamin'ny fotoana voafetra, dia tsy azony atakalo zavatra amin'ny fomba maharitra ny lovan-janany. Rehefa afaka nanavotra ny taniny izy dia nahazo nanao izany malalaka na tamin'ny fotoana inona na tamin'ny fotoana inona. Nofoanana ny trosa isaka ny fito taona ary tamin'ny taona fahadimampolo, na taonan'ny Jobily, dia niverina tamin'ny tena tompony ny tany rehetra nahofa.

«Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko hianareo», hoy ny torohevitra nomen'ny Tompo.

«Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo. Raha tahiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny. Ary raha mahazo izay ampy hoenti-manavotra azy (...) dia hody amin'ny taniny izy. Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tanan 'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily». Lev. 25:28 ...

Tamin'izany fomba izany dia nisy antoka ny fananan'ny fianakaviana tsirairay, ary nisy fiarovana nisakana ny tafahoatra na teo amin'ny harena na teo amin'ny tsy fananana. — TMF, tt. 117,118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal