Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny drafitr’Andriamanitra hisorohana ny fahantrana

Daty
Alahady 08 June 2025

 «Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin 'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin 'izay tsy namboarinareo. (...) Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra.» - Lev. 25:11,14.

Mofon’aina:
Teo amin'ny drafitra nataon' Andriamanitra ho an'ny Isiraely   dia samy nanana trano tany an-tsaha ny fianakaviana tsirairay, miaraka amin'ny tany ampy hambolena. Samy voaomana tamin'izany fomba izany izay ilaina sy izay hampaharisika ny olona hanana fiainana mahasoa sy mazoto ary mahavita tena. Ary tsy mbola nisy hevitra avy tamin'olombelona afaka nanatsara io drafitra io. Ny fialan'izao tontolo izao tamin'io drafitra io no anton'ny fahantrana sy ny fijaliana ankehitriny, eo amin'ny lafiny maro.

Rehefa tafaorina teo amin'ny tany Kanàna ny Isiraely, dia nozaraina tamin'ny vahoaka manontolo ny tany. Ny Levita ihany, tamin'ny maha-mpanao fanompoana azy teo amin'ny fitoerana masina, no tsy nahazo anjara tamin'io fizarana mitovy io. Nisaina ny fianakaviana tao amin'ny foko, ary nomena anjara lova ny fianakaviana tsirairay araka ny isan' olona tao.

Ary na dia azon'ny olona iray nam-'piasaina tamin'izay nitiavany azy aza ny fananany tamin'ny fotoana voafetra, dia tsy azony atakalo zavatra amin'ny fomba maharitra ny lovan-janany. Rehefa afaka nanavotra ny taniny izy dia nahazo nanao izany malalaka na tamin'ny fotoana inona na tamin'ny fotoana inona. Nofoanana ny trosa isaka ny fito taona ary tamin'ny taona fahadimampolo, na taonan'ny Jobily, dia niverina tamin'ny tena tompony ny tany rehetra nahofa.

«Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko hianareo», hoy ny torohevitra nomen'ny Tompo.

«Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo. Raha tahiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny. Ary raha mahazo izay ampy hoenti-manavotra azy (...) dia hody amin'ny taniny izy. Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tanan 'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily». Lev. 25:28 ...

Tamin'izany fomba izany dia nisy antoka ny fananan'ny fianakaviana tsirairay, ary nisy fiarovana nisakana ny tafahoatra na teo amin'ny harena na teo amin'ny tsy fananana. — TMF, tt. 117,118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal