Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaky fahitsiana tanteraka ny raharaham-panjakana

Daty
Sabotsy 14 June 2025

"Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana." - Ohab. 31:4,5.


Mofon’aina:
Tsy tokony hofidina hitana toeram-pitokisana ny olona   tsy mahalala onony. Manimba ny hafa ny hery miasa mangina avy aminy (...). Amin'ny saina sy ny hoza-tatitra donton'ny paraky sy ny zava-manaitaitra no anaovany lalàna ka rehefa misava ny herin'ireny, dia miseho ny fitontonganana lehibe. Iankinan'ny ain'olona izany matetika, satria miankina amin'ny fanapahan-kevitr'ireo izay eo amin'ireny toerana ambony ireny ny ain'ny olona sy ny fahafahany (...). Zava-dehibe manan-danja indrindra raha toa izay mandray anjara amin'ireny raharaha ireny ka olona efa voazaha toetra, mandini-tena, mahatoky sy marina ary manana fahitsiana tsy azo hozongozonina, olona izay tsy mandray kolikoly ary tsy hamela ny fanombanany na ny faharesen-dahany momba ny marina havilin'ny fiangarana na ny hevitra mibahana mialoha. 

Hoy ny Tompo: "Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina." - Eks. 23:6-8.- ST, 8 Jolay 1880. 

Lehilahy sy vehivavy mahalala onony sy mahitsy ihany no tokony hekena hiditra ao amin'ny efitrano fitsarantsika (...). Tandindomin-doza ny fananan'ny olona sy ny fahamendrehany ary ny ainy koa aza, raha toa apetraka eo am-pelatanan'izay tsy mahalala onony sy maloto ara-pitondrantena ny fitsarana. Tsy manan-tsiny firifiry no voaheloka ho faty, ary akory ny habetsahan'ireo izay voaroba fananana, vokatry ny tsy fahamarinan'ny mpitsara sy ny mpisolovava ary ny vavolombelona ao anatin'ny fahamamoana! (...)

Ilaina amin'izao andro izao tokoa ny olona tahaka an'i Daniela - lehilahy sy vehivavy manana fandavan-tena sy herim-po hanao fanavaozana hentitra momba ny fahalalana onony. (...) Ary aoka ny rehetra hahatsiaro fa ny fahasambarantsika eto an-tany sy rahatrizay dia miankina amin'ny fanavaozantsika ny fiainana eto. - ST, 11 Febroary 1886. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal