Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaky fahitsiana tanteraka ny raharaham-panjakana

Daty
Sabotsy 14 June 2025

"Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana." - Ohab. 31:4,5.


Mofon’aina:
Tsy tokony hofidina hitana toeram-pitokisana ny olona   tsy mahalala onony. Manimba ny hafa ny hery miasa mangina avy aminy (...). Amin'ny saina sy ny hoza-tatitra donton'ny paraky sy ny zava-manaitaitra no anaovany lalàna ka rehefa misava ny herin'ireny, dia miseho ny fitontonganana lehibe. Iankinan'ny ain'olona izany matetika, satria miankina amin'ny fanapahan-kevitr'ireo izay eo amin'ireny toerana ambony ireny ny ain'ny olona sy ny fahafahany (...). Zava-dehibe manan-danja indrindra raha toa izay mandray anjara amin'ireny raharaha ireny ka olona efa voazaha toetra, mandini-tena, mahatoky sy marina ary manana fahitsiana tsy azo hozongozonina, olona izay tsy mandray kolikoly ary tsy hamela ny fanombanany na ny faharesen-dahany momba ny marina havilin'ny fiangarana na ny hevitra mibahana mialoha. 

Hoy ny Tompo: "Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina." - Eks. 23:6-8.- ST, 8 Jolay 1880. 

Lehilahy sy vehivavy mahalala onony sy mahitsy ihany no tokony hekena hiditra ao amin'ny efitrano fitsarantsika (...). Tandindomin-doza ny fananan'ny olona sy ny fahamendrehany ary ny ainy koa aza, raha toa apetraka eo am-pelatanan'izay tsy mahalala onony sy maloto ara-pitondrantena ny fitsarana. Tsy manan-tsiny firifiry no voaheloka ho faty, ary akory ny habetsahan'ireo izay voaroba fananana, vokatry ny tsy fahamarinan'ny mpitsara sy ny mpisolovava ary ny vavolombelona ao anatin'ny fahamamoana! (...)

Ilaina amin'izao andro izao tokoa ny olona tahaka an'i Daniela - lehilahy sy vehivavy manana fandavan-tena sy herim-po hanao fanavaozana hentitra momba ny fahalalana onony. (...) Ary aoka ny rehetra hahatsiaro fa ny fahasambarantsika eto an-tany sy rahatrizay dia miankina amin'ny fanavaozantsika ny fiainana eto. - ST, 11 Febroary 1886. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal