Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manao petra-karena ho voninahitr' Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 26 June 2025

"Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehôvah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa." - 1 Sam. 2:3.

Mofon’aina:
ahita fahitana aho ny alMa ka nasaina nijery ireo trano avo be naorina hanakatra ny lanitra teo amin'ny tantara nifandimby. Nomena antoka ny olona fa mahazaka afo ireny trano vaventy ireny, ary naorina ireny mba hanomezam-boninahitra ny tompony sy ny mpanao trano nanorina azy. (...) Tsy mba nanontany ny tenany tahaka izao ireo nampanorina azy ireny: "Ahoana ny fomba tsara indrindra hanomezako voninahitra an' Andriamanitra?" (…)

Hoy ny eritreritro: "Raha mba hitan' ireo mampiasa ny volany amin'izany fomba izany tahaka izay fahitan'Andriamanitra azy mantsy ny asany!" Manorina trano vaventy tsara tarehy izy ireo nefa fahadalana eo imason'ilay Tompon'izao rehetra izao ny drafitr'izy ireo sy ny tetikasany. Tsy mba dinihiny araka izay tratry ny fony sy ny sainy ny fomba mety hanomezany voninahitra an'Andriamanitra. Very teo imasony ny adidy voalohany tokony hefain'ny olombelona.

Arakaraky ny niakaran'ireny trano vaventy ireny no nifalian'ny tompony tamin'ny avonavona feno hambom-po noho ny fananany vola azony ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny tenany sy handranitana ny fitsiriritan'ireo namany. Ny ankamaroan'ny vola ampiasaina amin'izany anefa dia azo tamin'ny fanambakana sy ny fampahoriana ny mahantra. Hadinon'izy ireo fa misy firaketana ny raharaham-barotra rehetra any an-danitra (...). Ho avy ny andro izay hahatraran'ny lehilahy sy ny vehivavy, amin'ny alalan'ny hosoka sy ny fahasahisahian-dratsy rehetra, ny fefy tsy avelan'Andriamanitra hihoarany intsony ka hianarany amin'izany fa misy fetra ny faharipon' i Jehôvah . (...)

Vitsy ihany amin'ireo mpanabe sy olom-panjakana no mahatakatra ny antony mahatonga ireo toe-javatra iainan'ny fiarahamonina ankehitriny. Tsy mahay mamaha ny olan'ny fahalovana ara-pitondrantena, ny fahantrana sy ny toerana fadiranovana misy ny olona ary ny heloka bevava tsy mitsaha-mitombo ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitondram-panjakana. Zava-poana ihany ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fametrahana tetikasa maro eo amin'ny fototra azo antoka kokoa. Hahita vahaolana manoloana ny olana mahavery hevitra azy anefa ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa mifantoka kokoa amin'ny fampianaran'ny Tenin' Andriamanitra. - TFC, b. 9, tt. 12,13.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal