Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manao petra-karena ho voninahitr' Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 26 June 2025

"Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehôvah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa." - 1 Sam. 2:3.

Mofon’aina:
ahita fahitana aho ny alMa ka nasaina nijery ireo trano avo be naorina hanakatra ny lanitra teo amin'ny tantara nifandimby. Nomena antoka ny olona fa mahazaka afo ireny trano vaventy ireny, ary naorina ireny mba hanomezam-boninahitra ny tompony sy ny mpanao trano nanorina azy. (...) Tsy mba nanontany ny tenany tahaka izao ireo nampanorina azy ireny: "Ahoana ny fomba tsara indrindra hanomezako voninahitra an' Andriamanitra?" (…)

Hoy ny eritreritro: "Raha mba hitan' ireo mampiasa ny volany amin'izany fomba izany tahaka izay fahitan'Andriamanitra azy mantsy ny asany!" Manorina trano vaventy tsara tarehy izy ireo nefa fahadalana eo imason'ilay Tompon'izao rehetra izao ny drafitr'izy ireo sy ny tetikasany. Tsy mba dinihiny araka izay tratry ny fony sy ny sainy ny fomba mety hanomezany voninahitra an'Andriamanitra. Very teo imasony ny adidy voalohany tokony hefain'ny olombelona.

Arakaraky ny niakaran'ireny trano vaventy ireny no nifalian'ny tompony tamin'ny avonavona feno hambom-po noho ny fananany vola azony ampiasaina hanomezana fahafaham-po ny tenany sy handranitana ny fitsiriritan'ireo namany. Ny ankamaroan'ny vola ampiasaina amin'izany anefa dia azo tamin'ny fanambakana sy ny fampahoriana ny mahantra. Hadinon'izy ireo fa misy firaketana ny raharaham-barotra rehetra any an-danitra (...). Ho avy ny andro izay hahatraran'ny lehilahy sy ny vehivavy, amin'ny alalan'ny hosoka sy ny fahasahisahian-dratsy rehetra, ny fefy tsy avelan'Andriamanitra hihoarany intsony ka hianarany amin'izany fa misy fetra ny faharipon' i Jehôvah . (...)

Vitsy ihany amin'ireo mpanabe sy olom-panjakana no mahatakatra ny antony mahatonga ireo toe-javatra iainan'ny fiarahamonina ankehitriny. Tsy mahay mamaha ny olan'ny fahalovana ara-pitondrantena, ny fahantrana sy ny toerana fadiranovana misy ny olona ary ny heloka bevava tsy mitsaha-mitombo ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny fitondram-panjakana. Zava-poana ihany ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny fametrahana tetikasa maro eo amin'ny fototra azo antoka kokoa. Hahita vahaolana manoloana ny olana mahavery hevitra azy anefa ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa mifantoka kokoa amin'ny fampianaran'ny Tenin' Andriamanitra. - TFC, b. 9, tt. 12,13.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal