Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Soa indrindra ny teny atao amin'ny antony

Daty
Alakamisy 15 February 2024

"Ny teny atao amin'ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra."-Ohab. 25:11.

Nandritra ny lanonana iray dia nandray fitenenana i Jesosy ary nanome lesona sarobidy maro. Nihaino Azy ny olona nanatrika teo; moa tsy Izy ve no nanasitrana ny marariny? Tsy Izy ve no nampahery ireo mijaly teo aminy? Tsy Izy koa ve no nitrotro ireo zanany madinika teo an-tsandriny? Voatarika ho eo Aminy ny mpamory hetra sy ny mpanota; ary rehefa niteny Izy dia nifantoka Taminy tanteraka ny fahalianan'ireo.

Nampianatra ireo mpianany ny amin'izay tokony ho fitondrantenany rehefa miaraka amin'ny hafa i Kristy. Nanome lesona azy ireo momba ireo adidy sy fitsipika co amin'ny fiainam-piarahamonina Izy, izay mitovy amin'ny lalána mifchy ny fanjakan' Andriamanitra ihany Tamin'ny oha-piainany no nampianarany ny mpianany fa rehefa mivory miaraka amin'ny besinimaro dia tokony hanan-javatra holazaina izy ireo. Ny resaka ataony mandritra ny lanonana iray dia hafa amin'izy nohenoin'ny olona tamin'ireo lanonana lasa. Hanitra avy amin'ny fiainana ho amin'ny fiainana ny teny tsirairay nambarany. Tamin'ny fomba mazava sy tsotra no nitenenany. Tahaka ny paoma volamena anaty fanaka volafotsy ny teniny.

Ny firaisana amin'i Kristy tsy hay tombanana ny hasarobidin'izany! Tombontsoantsika ny manana izany (...). Rehefa nandre ny tenin'i Kristy ireo mpianatra vpalohany dia nahatsapa fa mila Azy. Nitady Azy izy ireo, nahita Azy, ary nanaraka Azy. Niaraka Taminy izy ireo na tao an-trano, na teo am-pisakafoana, na tany amin'ny toerana mitokana, na teo am-piasana. Niaraka Taminy toy ny mpianatra miaraka amin'ny mpampianany izy ireo, nandray lesona isan'andro avy Aminy momba ny fahamarinana masina. Toy ny fijerin'ny mpanompo ny Tompony ny fijerin'izy ireo Azy(...). Tamim-pifaliana sy fahafinaretana no nanompoany Azy.

Omen-danja lehibe ny fikambanana misy eo amintsika. Maro no mety ho voaofantsika ho olona tsara sy tia manampy, saingy tsy misy sarobidy mihoatra noho ny olombelona voafetra mifandray amin'Ilay Andriamanitra tsy manam-petra. Rehefa tafaray Aminy toy izany isika dia mitoetra ao anatintsika ny tenin'i Kristy (...). Fo voadio, fiainam-pahendrena, toetra tsy misy tsiny, no vokany. Amin'ny alalan'ny fifankazarana sy ny fiarahana amin'i Kristy irery ihany anefa no hahatonga antsika ho tahaka Azy, Ilay Ohatra tonga lafatra. - MLT, t. 190.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal