Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny toetra tsara no ankasitrahany indrindra

Daty
Alatsinainy 19 February 2024

 "Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray."-Sal. 90:17.

Tia izay rehetra kanto Andriamanitra,Tfa ny tiany indrindra dia ny toetra tsara (...). Tsy mba ho levona ny hatsaran-toetra fa haharitra mandritra ny taona rehetra mandrakizay.

Nihevitra ny lilia Ilay Mpiangaly zava-kanto ngezalahy ka nataony tsara tarchy indrindra ireny, eny, mihoatra noho ny voninahitr'i Sôlômôna aza. Manao ahoana ny fihoaran'ny ataony ho an'ny olona, izay endrik' Andriamanitra sy voninahiny! Iriny mafy ny hahita ny zanany hancho toetra amam-panahy manam-pitoviana Aminy. Tahaka ny tana-masoandro mizara loko samihafa sy kanto amin'ny voninkazo, no ataon Andriamanitra mizara ny hakanton'ny toetra amam-panahiny amin'ny fanahy.

Izay rehetra mifidy ny fanjakam- pitiavana sy ny fahamarinana ary ny fiadanan'i Kristy, ka mametraka ny tombontsoan izany ho ambonin'ny hafa rehetra, dia mifamatotra amin'ny fiainan'ny any ambony, ary azy ny fitahiana rehetra ilaina ho amin'ity fiainana ity. Omena takila iray avy isika ao amin'ny bokin'ny lanitra, dia ao amin'ny bokin'ny fiainana izany. Misy ny zavatra rehetra manokana momba ny fiainantsika io takila io ary na dia ny volon-dohantsika aza dia voaisa. Tsy misy hadinoin' Andriamanitra na dia ny iray amin'ny zanany aza.

Ny fisehosehoana araka izao tontolo izao, na miezinezina aza, dia tsy misy vidiny co imason'Andriamanitra. Ny tsy hita maso sy ny mandrakizay no omeny lanja ambonin'izay miseho ivelany sy ny ara-nofo. Tsy manana tombam-bidy ireo farany ireo raha tsy maneho iretsy voalohany. Na ny tsangan'asa kanto indrindra aza dia tsy azo ampitahaina amin'ny hatsaran- toetra, izay vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fanahy. (...)

Tonga teto an-tany i Kristy, nijoro teo anatrehan'ny zanak'olombelona, niaraka tamin'ny fitiavany lalina sy lehibe sy mandrakizay, izay natao horaisintsika sy hotorintsika ary hampitaintsika amin'ny alalan'ny fifandraisantsika Aminy. (...)
Nataohiavakaamin'izao tontoloizao isika satria efa nasian'Andriamanitra ny tombokaseny, ary satria aschony amin'ny alalantsika ny toetrany izay fitiavana. - MLT, t. 270.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal