Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama n’y asa s’y ny fampiasan-tena

Daty
Talata 08 July 2025

"Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao, nefa hianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo -- aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao. Isa. 57:10. 
isy olona sasany mihevitra fa fitahiana ny harena sy ny fidonanaham-poana. Rehefa misy olona mahazo harena be na koa mandova izany amin'ny fomba tsy ampoizina, dia miato ny fahazarana efa nananany, tsy ampiasainy ny fotoany, ary miadam-poana izy. Toa mifarana hatreo ireo lafin-toetra mahatonga azy ho ilain'ny manodidina; manjary mitaintain-dava izy, be tebiteby, tsy sambatra ary tsy maharitra ela ny fahavelomany. 
Ireo izay manan-katao mandrakariva ary manatanteraka amim-pifaliana ny asa fanaony isan'andro no sambatra sy salama indrindra. Ny fialan-tsasatra sy ny fahatonian'ny alina no mitondra torimaso tsy tapatapaka ho an'ny vatany trotraka. Efa fantatry ny Tompo izay hahasambatra ny olombelona rehefa nanome azy ireo asa hatao Izy. Avy eo amin'ny seza fiandrianana iray ihany no niavian'ilay didim-pitsarana momba ny tsy maintsy hiasany mafy mba hahazoana hanin-kohanina sy ilay teny fikasan'ny fahasambarana sy ny voninahitra ho avy. Samy fitahiana avokoa izy roa ireo (...) Hanampy ny fandevonan-kanina ny fampiasan-tena. Hitondra soa lehibe tokoa ny dia an-tongotra kely aorian'ny fisakafoana, ny fihazonana ny loha ho mahitsy tsara, ny fampitrakana tsara ny soroka ary ny fampiasan-tena amin'ny antonony. (...) Tsy tokony hosakanana tsy hahazo rivotra madio sy vaovao ny havokavoka. Rehefa misy faritra marary amin'ny vatana, ny havokavoka ohatra na ny vavony, dia vao mainka ilaina indrindra ny rivotra madio. (...) Ny fampiasan-tena mavitrika nefa tsy mahery vaika eny ankalamanjana dia hanatsara ny fikorianan’ny ra, hampitomarataratra n’y fahasalamana eny amin'ny hoditra, ary hampiely ny ra manerana ny vatana rehetra vokatry ny herin'ny rivotra madio.

(...) Matetika indrindra ny mpitsabo no manoro hevitra ny marary mba handeha hitsidika toeran-kafa, ho eny amin'ny loharano, ho eny amoron'ny ranomasina mba hanavao ny fahasalamany. Raha mahalala onony izy ireo eo amin'ny lafiny fihinanana ka manao fampiasan-tena miaraka amin'ny toe-tsaina falifaly, dia marary sivy amin'ny folo no hiverina hahazo fahasalamana indray sady tsy lany vola sy fotoana. (...). — TFC, b. 2, tt. 529-531. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal