Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoetra eo akaikin’i Jesôsy

Daty
Sabotsy 19 July 2025

« Hampahafantra ahy ny lalan’aina Hianao, fahavokisampifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay ». Sal 16:11

Mofon’aina:
Ity tontolo ity no sekolintsika, sekolim-panabeazana sy fiofanana. Napetraka teto isika mba hamolavola toetra tahaka ny an'i Kristy, sy hikolokolo fahazarana sy fiteny ambony mendrika eo amin'ny fiainana. Miseho lany etsy sy eroa ny hery miasa mangina manohitra ny tsara. Mitombo be tokoa ny ota sady mihalalim-paka. Maharikoriko an'Andriamanitra izany ka tsy ho ela dia hitsangana amin-kery Izy hanozongozona mafy ny tany.

Feno hafetsena tokoa ny drafitr'ilay fahavalo; fandroboana no entiny amerezana antsika, hany ka tsy mahamarika ny fitaka ataony akory ny malemy finoana. Latsaka anatin'ny fandrika izy ireo, izay velarin'i Satana amin'ny alalan'ny olombelona mba hamitahana na dia ny olom-boafidy aza. Izay mifandray ety amin'Andriamanitra ihany no hahafantatra ny fitaka sy ny tetiky ny fahavalo.

Sokajy roa ihany no misy eto amin' izao tontolo izao, dia ireo manompo an' Andriamanitra sy ireo izay mijoro eo ambanin'ny faneva maintin'ny andrian'ny fahamaizinana. Ireo izay miditra amin'ny vavahadin'ny Tanànan'Andriamanitra, dia mila miray amin'i Kristy dieny eto amin'izao tontolo izao. 

Natao harahin'ireo izay maniry hiditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireo  fitsipiky ny fitondram-panjakan' Andriamanitra, izay hany fitsipika haharitra mandrakizay. Tokony hatao miavaka sy mazava tsara ny tsipika mampisaraka an'izay manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Aoka havelantsika hofehezin' Andriamanitra ny saintsika. Aoka hialantsika ny fitenenana na ny fanao izay mampiala ny mpiara-belona amintsika amin'ny lala-marina. Malahelo mafy aho rehefa mieritreritra ny havitsin'ireo izay mba mampiseho fa nanandrana ny fitahiana lalina avy amin'ny firaisany amin'Ilay Mpamonjy natsangana sy nakarina ho any an-danitra. Miady ho lohany ny lehilahy sy ny vehivavy maro eto amin'izao tontolo izao. Tokony hibanjina mandrakariva an Kristy ireo mpomba an'Andriamanitra ary hametra-panontaniana isaky ny indray mandingana hoe: "Araka ny sitrapon'Andriamanitra ve izao?" Ny faniriana masina hiaina ny fiainan'i Kristy no tokony hameno ny fony. Ao Aminy no itoeran'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. Ao Aminy no iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. (…)

Hanova ny fontsika sy ny fiainantsika ny hery manovan'ny Fanahin'i Kristy. - (Australasian) UCR, 1 Febroary 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal