Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitoetra eo akaikin’i Jesôsy

Daty
Sabotsy 19 July 2025

« Hampahafantra ahy ny lalan’aina Hianao, fahavokisampifaliana no eo anatrehanao ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay ». Sal 16:11

Mofon’aina:
Ity tontolo ity no sekolintsika, sekolim-panabeazana sy fiofanana. Napetraka teto isika mba hamolavola toetra tahaka ny an'i Kristy, sy hikolokolo fahazarana sy fiteny ambony mendrika eo amin'ny fiainana. Miseho lany etsy sy eroa ny hery miasa mangina manohitra ny tsara. Mitombo be tokoa ny ota sady mihalalim-paka. Maharikoriko an'Andriamanitra izany ka tsy ho ela dia hitsangana amin-kery Izy hanozongozona mafy ny tany.

Feno hafetsena tokoa ny drafitr'ilay fahavalo; fandroboana no entiny amerezana antsika, hany ka tsy mahamarika ny fitaka ataony akory ny malemy finoana. Latsaka anatin'ny fandrika izy ireo, izay velarin'i Satana amin'ny alalan'ny olombelona mba hamitahana na dia ny olom-boafidy aza. Izay mifandray ety amin'Andriamanitra ihany no hahafantatra ny fitaka sy ny tetiky ny fahavalo.

Sokajy roa ihany no misy eto amin' izao tontolo izao, dia ireo manompo an' Andriamanitra sy ireo izay mijoro eo ambanin'ny faneva maintin'ny andrian'ny fahamaizinana. Ireo izay miditra amin'ny vavahadin'ny Tanànan'Andriamanitra, dia mila miray amin'i Kristy dieny eto amin'izao tontolo izao. 

Natao harahin'ireo izay maniry hiditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ireo  fitsipiky ny fitondram-panjakan' Andriamanitra, izay hany fitsipika haharitra mandrakizay. Tokony hatao miavaka sy mazava tsara ny tsipika mampisaraka an'izay manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Aoka havelantsika hofehezin' Andriamanitra ny saintsika. Aoka hialantsika ny fitenenana na ny fanao izay mampiala ny mpiara-belona amintsika amin'ny lala-marina. Malahelo mafy aho rehefa mieritreritra ny havitsin'ireo izay mba mampiseho fa nanandrana ny fitahiana lalina avy amin'ny firaisany amin'Ilay Mpamonjy natsangana sy nakarina ho any an-danitra. Miady ho lohany ny lehilahy sy ny vehivavy maro eto amin'izao tontolo izao. Tokony hibanjina mandrakariva an Kristy ireo mpomba an'Andriamanitra ary hametra-panontaniana isaky ny indray mandingana hoe: "Araka ny sitrapon'Andriamanitra ve izao?" Ny faniriana masina hiaina ny fiainan'i Kristy no tokony hameno ny fony. Ao Aminy no itoeran'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. Ao Aminy no iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra. (…)

Hanova ny fontsika sy ny fiainantsika ny hery manovan'ny Fanahin'i Kristy. - (Australasian) UCR, 1 Febroary 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal