Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tena fahasambarana 

Daty
Alahady 20 July 2025

"Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho." — Sal. 119:56.

Mofon’aina:
Ilaina katsahina araka ny tokony ho izy sy any amin'ny tena loharano ipoirany ny fahasambarana. Misy ireo mihevitra fa mety hahita fahasambarana amin'ny fanaranam-po amin'ny fahafinaretana feno ota, na amin'ny fanarahana ny fitaoman'izao tontolo izao mamitaka. Ao ireo izay mahafoy ny adidiny tokony hitandroany ny vatany sy ny saina amam-panahiny mba hahazoana fahasambarana, kanjo samy very na ny fanahiny na ny vatany. Ny sasany indray mikatsaka izany amin'ny fanaranam-po amin'ny hatendan-kanina ka mihevitra fa tsara noho ny fahasalamana sy ny fiainana ny fahafinaretana amin'ny tsiron-kanina. Maro no eo ambanin'ny vahohon'ny firehetan'ny filan'ny nofo ka mahafoy ny herim-batany sy ny herin-tsainy ary ny herim-panahiny ho fanomezana fahafaham-po ny filan-dratsiny. Ho faty tanora izy vokatr'izany, ary ho voaheloka noho ny famonoan-tena rehefa tonga ny fitsarana.

Izany ve ilay fahasambarana ilaina, dia izay hita eo amin'ny lalan'ny tsy fankatoavana sy ny fandikana ny lalàn'ny fahasalamana sÿ ny fitondran-tena? Manondro ny loharanon'ny fahasambarana marina sy ny fomba hahazoana izany ny fiainan'i Kristy. Manondro ny lalan-tokana sady mivantana mankany an-danitra fiainany. (...) 

Maro ireo fakam-panahy mitaona tanora ho any amin'ny fahaverezana Mahatonga ny ankizy ho osa sy ts) manam-piarovana ny tsirambine mampalahelo eo amin'ny fanabeazana azy, ka tsy miorina tsara ny toetrany votsa ny sainy, ary kely hery ara pitondrantena izy. (...) Amin'm fanaranam-po feno ota no andotoam ny fahadiovany ka dia simba ny fitondrantenany. Tsy maharitra amin'ny fitsipi-pifehezana izy ka mihevitra fa raha mba havela handeha amin'izay tiany dia ho sambatra tokoa (...) 
Raha te hahita ny soa indrindra eto an-tany ny ankizy sy ny tanora dia aoka hitady izany eo amin'ny lalan'ny fankatoavana mahatoky. Ny fahasalamana tsara no harena lehibe indrindra eto an-tany, ary amin'ny fandosirana ny tsy fahalalana onony ihany no hahazoana azy. Raha tiany ny ho sambatra marina, dia tokony hokatsahiny amim-pifaliana izay hanatanterahana ny adidiny, amin'ny fanaovana amim-pahatokiana ny asa nankinina taminy, ka ny fony sy ny fiainany dia hataony rnifandrindra amin' ilay môdely tonga lafatra. — YI Avrily 1872. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal