Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsarovy ny famindrampon'Andriamanitra lehibe.

Daty
Alatsinainy 21 July 2025

"Ny diako maharitra eo amin'ny làlanao, tsy solafaka ny tongotro. Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko." Sal. 17:5,6.

Mofon’aina:
Nanome  baiko an'i Mosesy Andriamanitra hitantara amin'ny zanak'Isiraely indray ny nidirany an-tsehatra tamin'ny nanafahany azy ireo avy tany Egypta, sy ny niarovany azy tamin'ny fomba mahagaga tany an'efitra. Nasainy notsiahivina indray ny tsy finoany sy ny fimonomononany rehefa nozahan-toetra izy ireo, kanefa tsy nesorin'Andriamanitra taminy ny famindrampony lehibe sy ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. Natao hanamafy ny finoan'izy ireo sy hanatanjaka ny herim-pony izany. (...)

Toy izany koa, tena ilain'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny ny mitadidy ny fomba nisedrana azy sy ny tsy nahombiazan'ny finoany, izay nanimbany ny asan'Andriamanitra noho ny fisalasalany sy ny fitokiany tamin'ny tenany. Mila haverina tantaraina tsirairay ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fitondrany feno fitsimbinana ary ny fanafahany, izay tsy tokony hohadinoina velively.

Rehefa mijery ny lasa toy izany ny vahoakan'Andriamanitra, dia tokony ho hitany fa miditra an-tsehatra mandrakariva ny Tompo. Tokony ho takany ireo fampitandremana nomena mba tsy hamerenany intsony ny fahadisoana tany aloha. Aoka tsy hitoky amin'ny tenany Izy fa amin'Andriamanitra, mba tsy hanalany baraka ny  Anarany intsony. Isaky ny misy fandresena azon'i Satana, dia fanahy maro no tandindomin-doza. Manjary mora andairan'ny fakam-panahiny ny olona sasany ka zary tsy tafarina intsony. (...)

Hamantaran'Andriamanitra izay hitoetra ho mahatoky ao anatin'ny fakam-panahy ny fizahan-toetra ataony amintsika. Hitoky amin'ny hery ambony ivelan'ny an'ny tenany ve ny tsirairay? Misy lafin-toetra izay tsy hita na fantatry ny olona raha tsy haneho azy amin'ny alalan'ny fitsapana. Avelan'Andriamanitra hiharan'ny fakam-panahy lehibe ireo izay mitoky amin'ny tenany, mba hahatakarany ny tsy fahafahany manoatra. (...) 

Tokony hijery ny asa efa nataony isika, ny fanavaozana efa nentiny. Tokony hangonintsika ireo porofon'ny fitahian'ny lanitra, vavolombelon'ny hatsarany, ka hilaza isika hoe: "Tompo ô, mino anao sy ireo mpanomponao ary ny asanao izahay." — TFC, b. 7, tt. 210,211. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal