Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana, firaisam-po, ary fahalemem-panahy.

Daty
Alarobia 23 July 2025

  "Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesôsy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an 'Andriamanitra Ray amin'ny alalany." —Kôl. 3:17.

Mofon’aina:
Andraikitra lehibe no miandry ireo natao batisa tamin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Miezaha mahatakatra ny hevitry ny hoe: "Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin 'Andriamanitra. " — and. 3. Efa nanolo-tena haneho ny fiainan'i Kristy ianareo ao amin'ilay fiainam-baovao izay nidiranareo. (...)

Efa maty ilay fiainana teo aloha, ary fiainana vaovao no hidirana miaraka amin' i Kristy amin'ny alalan'ny voadin'ny batisa. Asehoy ny hakanton'ny toetran'i Kristy. Aoka ny teniny "hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra." — and. 16. (...)

Natao ho hita ao amin'ny fiangonana ireo zavatra ireo. Tokony ho hita eo amintsika ny fitiavana, ny firaisam-po ary ny halemem-panahy. Mitafia famindrampo sy fiantrana amin'ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra. Ireo ota vita talohan'ny fiovam-po dia natao ho faty miaraka amin'ilay olona taloha. Tokony hotafian'ilay olona vaovao miaraka amin'i Jesôsy Kristy "ny fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana." — and. 12. 

Ireo izay efa natsangana miaraka amin' i Kristy ho amin'ny fiainam-baovao no olom-boafidin'Andriamanitra. Masina ho an'Andriamanitra izy ireo ary ekeny ho malalany. Araka izany dia eo ambanin'ny fanekena masina izy, mba hiavaka amin'ny toe-tsaina manetry tena. Mila mitafy ny akanjom-pahamarinana izy ireo. Miavaka amin'izao tontolo izao izy amin'ny fisainany sy ny fanaony, ary mampiseho kosa fa mianatra amin'Ilay nilaza hoe: "malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho." — Mat. 11:29.

Raha tsapany fa niara-maty tamin'i Kristy izy, raha hazoniny ny voadiny tamin'ny batisa, dia tsy hanan-kery hisarika azy handà an'i Kristy izao tontolo izao. Raha miaina ny fiainan'i Kristy eto amin'izao tontolo izao izy, dia mpiray amin'ny fomban ' Andriamanitra. Koa rehefa hiseho i Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy amin'ny voninahitra koa izy ireo. — MR, b. 19, tt. 236,237. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal