Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy manameloka fa mifona ho an'ny hafa

Daty
Alakamisy 24 July 2025

 "Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona." — Heb. 2:17.

Mofon’aina:
Aoka ny olombelona, izay hazan'ny fakam-panahy mandrakariva, ahatsiaro fa manana Mpisoronabe izay mahalala tsara ny fahalemeny izy, satria Izy koa dia efa mba nalaim-panahy tahaka azy ireo ihany. Ary aoka ireo izay eo amin' ny toerana misy andraikitra hahatsiaro fa eo ambanin'ny herin'ny fakam-panahy mandrakariva izy ka mila miankina tanteraka amin'ny fahamendrehan'ny Mpamonjy. Na masina toy inona aza ny asa niantsoana azy, dia mpanota ihany izy ireo, ary tsy hahazo famonjena raha tsy amin'ny fahasoavan'i Kristy irery ihany. Tsy maintsy hijoro eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy indray andro any, na voavonjy tamin'ny ran'ny Zanak'ondry, na voaheloka amin'ny famaizana natokana ho an'ny ratsy fanahy. (…) 

Endrey ny alahelon'i Kristy noho ny tsy fifanehoan'ny vahoakany fitiavana sy fahalemem-panahy! Voamariny ny teniny sy ny lantom-peony. Reny ny fitsarana henjana sy masiaka atao amin'ireo izay nanehoany fitiavana tsy manam-petra teo anatrehan'ny Ray. Henony avokoa ny senton'alahelo sy fahoriana rehetra ateraky ny fahasiahan'olombelona, ka ory indrindra ny Fanahiny.

Tsy mahay manao ny tsara isika raha misaraka amin'i Kristy. Tsy mitombina, noho izany, ny fanindrahindran'ny olombelona ny tenany! Mahagaga ny fanadinoany fa mila mibebaka izy, tahaka ireo namany ihany, ary ireo izay melohiny fatratra dia azo hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra rehefa nandray ny firaisam-pon'i Kristy sy ny anjely.

 Aoka ny irak'Andriamanitra hiasa toy ny lehilahy sy vehivavy hendry. Aoka ny fanahiny tsy hiavonavona fa hanetry tena kosa (Isa. 57:15). (...)

Miaro izay rehetra alaim-panahy i Kristy, kanefa mandritra izany, dia maro amin'ny vahoakany no manao izay mampalahelo Azy amin'ny fiandaniany amin'i Satana sy ny fiampangana ny rahalahy sy ny anabaviny amin'ny fanondroana ny fitafiany maloto.

 Aoka tsy ho kivy ireo izay kianina, satria na manameloka azy aza ny hafa, i Kristy kosa dia milaza aminy hoe: "Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao. Ahy ianao, amin'ny alalan'ny famoronana sy ny fanavotana." — RH, 17 Marsa, 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal