Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aza tia tena.

Daty
Zoma 25 July 2025

"Fa ny làlana rehetra izay nandidian'i Jehôvah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona hianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo." — Deo. 5:33.

Mofon’aina:
I Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mangataka anao aho mba handinika ny fiainany. (...) Tonga Izy mba hitondra fiainana mandrakizay ho an'ny fanahy very. Tamin'ny namoizany ny Zanany no nanehoan'ny Ray ny faniriany lalina hamonjy ny mpanota. "Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy", hoy i Kristy, "satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray." — Jao. 10:17. Tena tia antsika ny Ray, saingy amin'ny fitiavana izay zara raha takatsika.

Tsy manana toetra feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ny lehilahy sy vehivavy maro, hany ka dia tsy azony an-tsaina ny sorona nataon'ny lanitra tamin'ny nanomezany an' i Kristy an'izao tontolo izao. Tafaharo amin'ny fitiavan-tena sy ny fanandratan-tena ny  fanandramana ara-pivavahana. Kely ihany ny fahafahan'ny olona toy izany manantena ny ho mpiara-mandova amin' i Kristy. "Lazaiko aminareo marina tokoa", hoy Izy tamin'ny mpianany, "raha tsy miova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan 'ny lanitra mihitsy hianareo." — Mat. 18:3. 

Maro no mitonona ho mpivavaka mafana fo kanefa mandrefy ny fahamasinany amin'ny an'ny hafa, ary vokatr 'izany dia marefo ny aim-panahiny. Tsy resy ny avonavona. (...) Oh, raha mba miaiky ny fahadisoany eo anatrehan'Andriamanitra mantsy izy ka mitalaho ny fanatrehan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainany! Hikoriana ao am-pon'izay voadio ka afaka amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana, ary eo amin'ny fiainan'izay manao ny fahamarinana ho lohalaharana, ny fahamarinana sy ny fahitsiana. (...)

Tsy hihena tsy akory ny faharatsian' izao tontolo izao. Isan-taona dia mainka mihamanjaka ny ratsy, ary mitombo ny tsy firaihan'ny olona. Aoka ho feno fandinihan-tena sy fiaiken-keloka ny fivoriantsika. Tom-bontsoa ho an'ny vahoaka izay efa nandray fitahiana lehibe toy izany ny ho tonga hazon'ny fahamarinana, izay mampita faherezana sy fitahiana. (...) Amin'ny fiombonany amin'ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tenan'i Kristy no hampianarany ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin'ny fitiavan-tena sy ny fahotana ka hanekeny kosa ny hakanton' ny toetran' Andriamanitra. — RH, 22 Jolay, 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal