Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahendrena sy fitiavana miseho eo amin'ny zavaboary.

Daty
Alahady 03 August 2025

 "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany." — Gen. 1:28.

Mofon’aina:

Nijery ny zavaboary tahaka ny sarin'ny fahatsarana tsy misy toa azy ireo mpivady feno fahamasinana. Ny tany dia rakotry ny zava-maitso, miaraka amin'ireo voninkazo maro karazana sady tsy nety nalazo. (...) Feno voankazo samy hafa endrika sy tsiro ireo hazo lehibe marobe isan-karazany, natao mba hifanojo amin'izay tiana sy irin'i Adama sy i Eva voatahy. lo Edena io io no fonenana nomen'Andriamanitra an'ireo razambentsika, izay porofo tsy azo disoina ny amin'ny Fitiavany lehibe sy ny fikarakarany azy ireo.

Nomem-boninahitra ho mpanjakan'i Edena i Adama. Nomeny azy ny fanapahana ny zava-manana aina rehetra izay noforonin'Andriamanitra. Nomen' Andriamanitra an'i Adama sy i Eva ny fahaizana izay tsy nomeny ireo biby noforoniny. I Adama no nasainy nanapaka ny asan'ny Tanany rehetra (...).

(...) Ny fahatsaran'ny natiora nanodidina azy dia tahaka ny fitaratra naneho ny Fahendrena, ny Fahatsarana, ary ny Fitiavan'ilay Rainy izay any an-danitra. Koa niakatra tsimoramora tamim-panajana ho any an-danitra ny hiram-pitiavany ny fiderany, nirindra tamin'ny hiram-panandratan'ireo anjely (...). Tsy nahitana aretina, na fahalovana, na koa fahafatesana ny tontolo. Hita teny amin'izay nojeren'ny maso rehetra ny fisian'ny aina. Heno teny amin'ny rivotra iainana ny fahavelomana. (...)

Fantatry ny Tompo fa tsy ho sambatra i Adama raha tsy misy asa, koa nomeny asa mahafinaritra izy dia iiy fikarakarany ny saha. Raha eo am-pitandremana ireo voary tsara tarehy sy mahasoa manodidina azy izy dia hibanjina ny fahatsarana sy ny voninahiteAndriamanitra eo amin'ny asan'ny Tanany. (...)

 Tsy hoe noforonin'Andriamanitra mba hibanjina ny asan-tanany be voninahitra fotsiny ihany ny olombelona, koa nomeny tanana izy ireo hiasany, ary nomeny saina sy fo hitiavana. Raha miorina amin'ny fitomoe-poana ny fahasambaran'ny olombelona, dia tsy ho nanome ny asa nomeny hataon'i Adama Andriamanitra. Natao hahita fifaliana amin'ny asa ny olombelona, tahaka izany koa amin'ny fisaintsainana lalina. - RH, 24 Febroary 1874. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal