Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nomena ho loharanom-pifaliana ny asa.

Daty
Alatsinainy 04 August 2025

 "Ary Jehôvah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy." — Gen. 2:15.

Mofon’aina:
Napetrak'Andriamanitra ho ambany lalàna ny olombelona; fepetra iray tena ilaina iankinan'ny fisiany izany. Olon'ny fanjakan'Andriamanitra izy, ary tsy misy fanjakana raha tsy misy lalàna. Azon'Andriamanitra natao tsara ny namorona olona tsy nanana fahafahana hanota; azony natao ny niaro ny tanan'i Adama tsy handray ilay voankazo voarara. Raha izany anefa no nitranga dia ho voary tsy nanana fahafahana hisafidy ny olona. (...) Izany dia hifanohitra amin'ny lalàna itondran'Andriamanitra ireo mponina any amin'ny planeta hafa. Tsy ho mendrika ny olombelona izay voary manan-tsaina izany, ary hanamafy orina ny fiampangan'i Satana hoe fanjakana tsy refesi-mandidy ny fanjakan'Andriamanitra.

Ny fonenan'ireo razambentsika dia natao ho ohatra sy môdely ho an'ireo taranany nifandimby rehetra rehefa hipariaka manerana ny tany izy. Tsy lapa ilay tokantrano nonenan'izy mivady (...). Ny olombelona kosa noho ny haitraitran'ny fony, dia faly mitoetra amin'ny trano sarobidy ka manao ny asan'ny tanany ho voninahiny. Fa tao amin'ny saha Edena kosa no nametrahan'Andriamanitra an'i Adama. Ny lanitra manga no tafon'izany fonenana izany ary ny ahi-maitso feno voninkazo kanto no karipetrany; asan-tanan'Ilay Artista mahay no nandravaka ny rindrina ary ny sampana be ravin'ireo hazo vaventy sy tsara fijoro no alokalony.

Lesona lehibe ho an'ny taranaka samy hafa velona aty aoriana ny ravaky ny fonenana nomen'Andriamanitra ireo mpivady tsy nanan-tsiny. Tsy eo amin'ny haitraitra na eo amin'ny fananan-javatra sarobidy no misy ny tena fahasambarana, fa eo amin'ny firaisana amin'Andriamanitra eo afovoan'ny zavaboary mahatalanjona. Raha mba tsy variana loatra amin'ny zavatra amboamboarina mantsy ny olona ary tia kokoa ny fahatsorana, dia ho nahatakatra misimisy kokoa ny fikasan'ny Tompo ny aminy izy! (...)

Ny adidy nomena ireo mponina tao Edena dia ny "hiasa sy hitandrina" ny saha. Izany asa mahafinaritra sy mahasalama izany dia tsy nandreraka azy. Mba hampiasa ny sainy, hanatanjaka ny tenany ary hampivelatra ireo hery samy hafa ananany, no antony nanomezan'Andriamanitra ny olona ny tombontsoan'ny asa. PM, tt. 25, 26.  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal