Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra fifaliana ny fiaraha-miasa Aminy.

Daty
Alakamisy 07 August 2025

"Ary misasatra miasa amin'ny tànanay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra." — 1 Kôr. 4:12.

Mofon’aina:
Tamin'ny famoronana dia natao ho fitahiana ny asa. Nitondra fandrosoana, hery, sy fahasambarana izany. Ny fiovan-toetran'ny tany noho ny ozon'ny ota dia nitondra fiovana teo amin'ny toetran'ny asa. Na dia arahina tebiteby sy havizanana ary fanaintainana aza izany ankehitriny dia mbola loharanom-pahasambarana sy fandrosoana hatrany. Fiarovana amin'ny fakam-panahy koa izany. Ny fepetra takiny dia mampihena ny hakamoana, ary mahatonga fahazotoana, fahatokiana, ary fahamatorana kosa. Araka izany dia manjary tafiditra ao anatin'ilay drafitra lehibe nataon'Andriamanitra hanarenana antsika avy amin'ny Fahalavoana izany. 

Tokony hampiana ny tanora [sy ny hafa] hahita ny tena mahatsara ny asa. Asehoy azy ireo fa Andriamanitra dia miasa mandrakariva. Ny zava-drehetra ao amin'ny natiora dia samy manao ny asa nampiandraiketina azy avokoa. Fiainan'ny zavaboary manontolo ny asa, ary mba hahavitantsika ny iraka nampanaovina antsika dia mita miasa koa isika. 

(...) Asehoy fa rehefa namorona sy niahy ny zavatra rehetra Andriamanitra dia nanome antsika fahefana iza tsy lavitra ny Azy. Nomeny antsika ny fifehezana ny herin'ny natiora amin'ny lafiny sasantsasany. Tahaka ny nanamboaran'Andriamanitra tany tsara tarehy avy amin-javatra tsy misy endrika, isika koa dia afaka manamboatra ny fikorontanana ho filaminana sy hatsarana. Ary na dia simba noho ny faharatsiana avokoa aza ny zava-drehetra ankehitriny dia mbola mahatsapa fifaliana ihany isika rehefa nahavita ny asantsika; toa Azy koa, rehefa nandinika ny tany vao avy noforoniny Izy dia nanao hoe "Tsara indrindra izany."

Ny fanaovana asa ilaina no hahazoan'ny tanora tombontsoa be indrindra ankapobeny. Ny lalao indray dia sady mampiala voly ny ankizikely no mampitombo azy; ary ny fanatanjahan-tena tokony hataony dia tsy izay mampandroso azy ara-batana fotsiny fa ara-tsaina ary ara-panahy koa. Rehefa mandroso tanjaka sy fahaizana izy dia ny fampanaovana azy ezaka ara-batana mahasoa no fakan-drivotra mety indrindra ho azy. Izay manazatra ny tanan'ny tanora hanampy sy mampianatra azy hizaka ny anjara entany eo amin'ny fiainana no mahomby indrindra amin'ny fampivoarana ny saina sy ny toetra. - Fk, tt. 239, 240, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal