Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampandroso ny asa voalamina tsara.

Daty
Zoma 08 August 2025

 "Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia hodorana." — Heb. 6:7,8.

Mofon’aina:
Mila ampianarina ny tanora fa ny fiainana dia asa mafy, andraikitra, sy fikarakarana. Mila hofanina izy ireo mba ho olona mahay miatrika — lehilahy sy vehivavy mahalala ny tokony hatao rehefa mitranga ny tampoka. Tokony hampianarina azy fa ny fanarahan-dalàna amin'ny asa mitohy tsy tapatapaka dia tena ilaina tokoa (...).

Na dia teo aza ireo voalaza sy voasoratra rehetra momba ny maha-mendrika ny asa dia manjaka ny fiheverana fa manambany izany. Ny zatovolahy dia maniry mafy ho tonga mpampianatra, mpiasa birao, mpivarotra, mpitsabo, mpisolovava, na hanao asa hafa izay tsy mitady fampiasana mafy ny herim-batana. Ny zatovovavy indray dia tsy tia manao raharaha ao an-trano ary mitady sehatra hafa hianarana. Izy ireny dia mila mianatra fa tsy manambany velively ny miasa amim-pahamarinana. Ny fahazarana midonana-poana sy tia tena no manambany. (...)

 Koa satria samy manana ny anjara raharahany avy ny lehilahy sy ny vehivavy ao an-trano dia tokony hanam-pahalalana ny amin'izay tokony hatao amin'ny fikarakarana tokantrano koa (...) ny tovolahy sy ny tovovavy. (...) Aoka ny ankizy hahita ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia nanome haja ny raharahan' ireo mpiasa isan'andro. Aoka hovakiny ny momba ny "zanaky ny mpaminany" (2 Mpanj. 6:1-7), (...) izay nanorina ny trano nitoerany sy nanehoana fahagagana: dia ilay lelam-pamaky nindramina ka very, kanefa natsinkafona avy ao anaty rano. Aoka izy ireo hamaky ny amin'i Jesôsy ilay mpandrafitra sy i Paoly mpanao lay, izay nanao ny asa ambony indrindra ho an'ny olona sy ho an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asan-tanany. (...) Eo koa ny tantaran'i Dorkasy, ilay mpanjaitra, izay natsangana tamin'ny maty mba hanohizany ny zaitrany ho an'ny mahantra; ny tantaran'ilay vehivavy hendry ao amin'ny Ohabolana (...) izay "mizaha volon'ondry sy rongony (...) ary mazoto miasa amin'ny tànany," (...) izay "mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany (...) ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana." (Ohab. 31:13,27). - Fk, tt. 241-243.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal