Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona ara-panahy sy tombontsoa mahasalama avy amin'ny hazo

Daty
Alakamisy 14 August 2025

"Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona, ary mamoaka hanina avy amin'ny tany." — Sal. 104:14.

Mofon’aina:
Nisy fiomanana natao tany amin'ny toerana sasany mba hanadiovana ny tany ho amin'ny fananganana toeram-pitsaboana. Nomen'Andriamanitra antsika ny fahazavana izay mampahafantatra fa mahasalama ny fofon'ny hazo kesika, ny hazo sedera ary ny kypreso. Ary marobe koa ireo karan-kazo manana fahafaha-manasitrana sy manatsara ny fahasalamana. 

Aoka tsy hotapahina tsy misy antra ny hazo tahaka izany. Tsara kokoa ny mifidy toeran-kafa hanorenana toeram-pitsaboana noho ny manapaka ireo hazo maitso mandavan-taona ireo. Misy lesona maro ho antsika ao amin'ireo hazo ireo. Hoy ny Tenin'Andriamanitra: "ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy". - Sal. 92:12. Hoy i Davida hoe: "Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriarnanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandra-kizay doria aho." - Sal. 52:8.

 Ampitovina amin'ny sederan'i Libanona ny Kristianina. Hitako tao anaty boky fa io hazo io dia tsy hoe manorina faka kely fotsiny ao anatin'ny tany; (...) mamaka lalina kokoa izy hahitany famaharana mafy kokoa. Ary rehefa tonga ny tafiotra mafy dia hahafahatra izy satria voahazon'ireo fakany lehibe any ambanin'ny tany.

 Tahaka izany koa ny Kristianina mamaka lalina ao amin'i Kristy. (...) Fantany izay inoany, ary resy lahatra tanteraka izy fa i Jesôsy no Ilay Zanak' Andriamanitra sy Mpamonjy ny mpanota. (...) Ny tena Kristianina marina, tahaka ny sederan'i Libanona, dia tsy maniry eo amin'ny tany malemy, fa miorim-paka ao amin'Andriamanitra (...).

Ianaro ny lesona avy amin'ny hazo. (...) Mangataka aminao aho tsy hanapaka ny hazo kesikao, fa ho fitahiana ho an'ny maro izany, avelao izy ireny ho velona.

Tiako ny hilaza aminareo ranadahy sy rahavavy, fa mitondra amim-bavaka sy miray fo aminareo aho amin'ny asa ataonareo. Tadidio fa hazo eo amin'ny sahan'ny Tompo ianareo, ary ny fiarovan' Andriamanitra dia rnanodi d ina anareo. Arakaraka ny mahavelona ny tsipika manasaraka ny voninkazon'Andriamanitra amin'ny songosongo sy ny tsilon'ireo zava-manirin'i Satana no hanomezam-boninahitra ny Tompo bebe kokoa. — SMC, 228, 229.

Zoma 15 Aogôsitra Tantanan'ny Mpamorona sy tohanany ny zavaboary "Mihirà fiderana ho an 'i Jehôvah ; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga, izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra." — Sal. 147:7,8. 
Tsy miasa ho an'ny tenany ny natiora fa manompo ny Mpamorona azy. Tsy manafoana ny lalàny Andriamanitra na miasa manohitra azy ireny; mbola mampiasa ireny hatrany Izy amin'ny maha-fitaovany ireny. Ny zavaboary dia mijoro ho vavolombelon'ny fahaizana, ny fanatrehana, ny hery izay miasa ao aminy sy amin'ny alalany ary any ankoatry ny Ialàna mifehy azy. Miasa tsy tapaka ao amin'ny zavaboary ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Kristy: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17. 
Vitan'Andriamanitra ny asa famoronana nataony, nefa mbola miasa amin'ny fihazonana ireo zavaboariny hatrany ny Heriny. Tsy mandeha amin'ny herin'ny tenany ny vatana raha manohy ny asa napetraka hataony hatrany am-boalohany ka mampitepo ny fo sy mampisy ny fofonaina. Ny fofonaina tsirairay sy ny fitepon'ny fo dia porofon'ny fikarakarana manenika ny tena manontolo ataon'Ilay ivelomantsika sy tompon'ny aintsika.

Tsy noho ny herintsika tsy akory no mahatonga ny tany hamokatra be isan-taona sy hanohy ny fihodinany amin'ny masoandro. Ny tanan'Andriamanitra no mitantana ireo planeta ary mihazona izany amin'ny fihodinany eny amin'ny lanitra. Amin'ny alalan'ny heriny no mampiroborobo ny zava-maniry sy mampipoitra ny ravin-kazo ary mampamelana ny voninkazo. Ny teniny no mifehy ireny; noho ny Aminy no mampisy voa eny an-dohasaha. Izy no mandrakotra rahona ny lanitra, ary manomana ranon'orana ho an'ny tany; Izy no "mampaniry ahitra ny tendrombohitra". "Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tahaka ny tavenona Izy". "Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny farany tany; manao ny helatra ho amin 'ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin 'ny firaketany." - Sal. 147:8,16; Jer. 10:13. (...) Eo amin'ny asan'ny tanany rehetra ny fiahiany. Tsy misy zavatra lehibe loatra ka tsy ho voafehiny ary tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho hitany. — ST, 20 Marsa 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal