Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona maro avy amin'ny zavaboary.

Daty
Alahady 17 August 2025

"Aoka hidera ny anaran’i Jehôvah ireo; fa Izy no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra." — Sal. 148:5,6.

Mofon’aina:
Kanto tokoa ny filazalazan'ny mpanao Salamo ny fikarakaran' driamanitra ny zavaboary any an'ala: "Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an 'ny hyraka." — Sal. 104:18. Nandefa ny loharano hamakivaky ny havoana Izy, mba hanorenan'ny vorona ny akaniny ka "rantsan-kazo no anenoany" — and. 12. Ireo zavaboary any an'ala rehetra sy ny havoana dia anisan'ny ankohonany. Manokatra ny tanany Izy ka "mahavoky soa ny zava-miaina rehetra." — Sal. 145:16. - Ed, t. 118.

 Matetika ireo voromahery any an-tendrombohitr'i Alpa no atosiky ny tafio-drivo-mahery ho any an-tsefatsefaky ny tendrombohitra. Manodidina io vorona mahery io ny rahona matevina ka tsy hitany ny toerana avo tratry ny masoandro izay nanorenany ny akaniny. Toa very maina ny ezaka rehetra ataony ialana amin' ireo rahona ireo. Mivezivezy izy, mikopakopaka elatra araka izay tratry ny heriny, ary manakoako any an-tendrombohitra ny hiakany. Rehefa ela ny ela anefa dia amin-kery no hiakarany, manivatsiva ny rahona, ka tonga indray any amin'ny hazavan'ny masoandro, mamela ny haizina sy ny tafiotra any aoriany.

Mety manodidina antsika ny toe-java-tsarotra sy ny hakiviana ary ny haizina; ary mangeja antsika ny lainga sy ny loza, ary ny tsy rariny. Misy ireo rahona tsy mety misava; mitolona mafy amin'ny toe-javatra isika; tokana ihany ny lalana hahafahana mandresy izany rehetra izany. Mijanona eto amin'ny tany ny zavona, any ankoatra ny rahona kosa dia mamirapiratra ny fahazavana avy amin'Andriamanitra. Azontsika atao ny miakatra ho amin'ny fahazavan'ny Fanatrehany eo amin'ny elatry ny finoana. 

Maro ireo lesona izay tokony hianarana. Mampianatra antsika hanana toky ny hazo maniry  irery eny amin'ny havoana na tendrombohitra; mamaka lalina ao amin'ny tany izy, ary mahajoro eo anatrehan'ny tafiotra mahery. Ny vatan-kazo nifamatotra sy niolikolika fony izy mbola hazo tanora, izay tsy hain'ny hery ety an-tany hovana amin'ny endrika mahitsy dia mampiseho antsika ny fiantraikan'ny hery miasa mangina voalohany. (...). — Fk, t. 129. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal