Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lesona lehibe indrindra avy amin'ny zavaboary.

Daty
Alatsinainy 18 August 2025

"Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa izay nanao ny dia ny tànan'i Jehôvah , izay mitana ny ain'ny zava-manan’aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?" Jôba 12:9,10.

Mofon’aina:
Araka izany, rehefa mahazo fahalalana avy amin'ny mpampianatra sy ny boky ny ankizy sy ny tanora, dia aoka izy ireo hisintona lesona sy hamantatra ny fahamarinana ao anatin' izany. Ametraho fanontaniana ny amin'izay lesona tsoahiny eo am-pikarakarana ny zava-maniry izy ireo. Rehefa mijery ny tontolo manodidina izy, dia anontanio azy ny antony nampitafian'Andriamanitra ny tany sy ny hazo loko tsara tarehy samihafa. (...) Ampianaro izy ireo hahita ny porofo eny amin'ny natiora rehetra eny fa mihevitra antsika Andriamanitra, ary manao ny zavatra rehetra hifanaraka amin'izay ilaintsika sy mahasambatra antsika. 

Izay mahita ny asan-tanan'ny Rainy any an-danitra eo amin'ny natiora, sy mahita ny sora-tanan'ny Tompo eo amin'ny harena sy ny fahatsaran-tarehin'ny tany no afaka hisintona lesona lehibe avy amin'izay manodidina azy, sy handray ny asa lehibe ataon'ireo. Izy ireny no afaka hahatakatra amin'ny fahafenoany ny lanjan'ny havoana sy ny Iohasaha, ny renirano sy ny ranomasina, ary mandray izany ho fanehoana ny fisainan' Andriamanitra; manambara ny Mpamorona izany. (...) Tokony hampirisihina ny ankizy hitrandraka ao amin'ny natiora ireo lohahevitra maneho ny fampianaran'ny Baiboly.

(...) Tokony hojereny eo amin'ny natiora sy ny Soratra Masina izay maneho an'i Kristy rehetra, ary ireo izay nampiasainy hanehoana ny fahamarinana. Amin'izany no ianaran'izy ireo hahita Azy eny amin'ny hazo sy ny voaloboka, eny amin'ny lilia sy ny raozy, eny amin'ny masoandro sy ny kintana. Azon'izy ireo atao ny mianatra mihaino ny feony ao amin'ny hiran'ny vorona, eny amin'ny fihofahofan'ny hazo, ao amin'ny fidonan'ny kotroka, ary ao amin'ny feon-kiran'ny ranomasina. Ary hamerina ny lesona sarobidy amin'izy ireo ny zava-drehetra ao amin'ny natiora.

Tsy ho toera-manirery sy feno fahoriana intsony ny tany ho an'ireo izay mifankazatra amin'i Kristy. Ho fonenan'ny Rain'izy ireo izany, feno ny fanatrehan'Ilay nonina teo amin'ny olombelona fahiny. - Fk, tt. 130, 131, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal