Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mijoro ho vavolombelony ny zavaboary.

Daty
Alakamisy 21 August 2025

 "Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony." - Sal. 19:2,3.

Mofon’aina:
Izay jerentsika eo amin'ny zavaboary ankehitriny dia tsy manome antsika afa-tsy fahalalana manjavozavo fotsiny momba ny voninahitr'i Edena. Nolotoin'ny fahotana ny hakanton'ny tany; mety ahitana dian'ny asa ratsy eo amin'ny zavatra rehetra. Nefa na dia izany aza dia mbola betsaka ny hakanto tafajanona. Manamarina ny zavaboary fa Ilay tsy hita fetra amin'ny hery, lehibe eo amin'ny hatsarana, amin'ny famindrampo sy ny fitiavana no namorona ny tany, sy nameno azy tamin'ny aina sy ny fifaliana. Na dia eo amin'ny endriny simba aza, dia mampiseho ny asan-tanan'Ilay faratampony amin'ny asan-tanana ny zavatra rehetra. (...)

Hatramin'ny firohondrohona sy ny firehitry ny kotro-baratra sy ny fidoboky ny ranomasina tsy niato hatry ny fahagola, ka hatramin'ny hira feno fifaliana ataon'ny feo mirindran'ny hazo any an'ala, dia samy milaza ny fiderana Azy avokoa ireo feon'ny zavaboary an'arivony. Mijery ny voninahiny isika, eo amin'ny tany sy ny ranomasina ary ny lanitra, miaraka amin'ireto lokony sy sorany mahavariana, miovaova ho samihafa, mirenty ers na mifangaroharo mirindra ers.

(...) Ny ahi-maitso velona izay mandrakotra ny tany miloko mavo dia milaza fa mikarakarany voariny am bany indrindra Izy. Ny zohy any anaty tany sy ny lalina any an-dranomasina dia mampiseho ny harenany. (...) Ny masoandro miposaka eny amin'ny lanitra dia mampiseho an'Ilay fiainana sy ny fahazavan'izay rehetra nataony. Ny famirapiratana sy ny hatsaran-tarehy izay manaingo ny tany sy manazava ny lanitra, dia miteny ny amin'Andriamanitra (...). Ny zavatra rehetra dia milaza ny fikarakarana feno fitiavana toy ny an'ny ray sy ny faniriany hahasambatra ny zanany.

 (...) Fanehoana ny toetra amam-panahin'Andriamanitra sy ny heriny ny zavaboary; nefa tsy tokony heverintsika ho Andriamanitra ny zavaboary. (...) Tsy ny asa vita fa ny mpanao azy no mendri-boninahitra (...). — TMF, tt. 267, 268, 269 (ed. 1997). 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal