"Moa hianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjaina izy." — Jao. 4:35.
Mofon’aina:
sy ny herin' olombelona no nampitoetra ny asan' Andriamanitra, ary tsy azony atao koa ny handrava izany. Hotarihin' Andriamanitra mandrakariva sady harovan'ny anjeliny masina ireo izay manohy ny Asany na dia misedra toe-java-tsarotra sy fanoherana aza. Tsy hitsahatra na oviana na oviana ny asan'Andriamanitra eto an-tany. Hanorina hatramin'ny farany ny tempoliny ara-panahy Izy ka izao antso izao no hitondrana ny vato fehizoro: "Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!"
Natao hitondra soa ho an'ny hafa ny Kristianina. Amin' izany no hahazoany tombontsoa. "Ary izay mandena dia mba holemana kosa" — Ohab. 11:25. Lalàn'ny fandaminan'Andriamanitra izany, lalàna izay nataon'Andriamanitra mba hikorianan' ny reniranon'ny fanaovan-tsoa, tahaka ny rano lalina, mandeha mandrakariva, ary miverina any amin'ny loharano niaviany hatrany. Ao amin'ny fanatanterahana izany lalàna izany ny herin'ny asa fanompoana kristianina.
Nomena torolalana aho fa na aiza na aiza misy fahafoizan-tena sy ezaka maika atao mba hametrahana sy hampandrosoana ny asan'Andriamanitra, ny olona any amin'izany toerana izany dia tokony hanome avy amin'izay ananany ho fanampiana ny mpanom-pon'Andriamanitra nirahina ho amin'ny saha vaovao. Na aiza na aiza isian'ny asa miorina amin'ny fototra mafy, dia tokony hahatsapa tena ny mpino ka hanampy ireo mila fanampiana, amin'ny fanomezana amin'ny ampahany na manontolo, ny fananana nampiasainy tany aloha teo amin'ny faritra misy azy. Andriamanitra no manao izay hitomboan'ny Asany araka izany. Izany no lalàn'ny famerenana amin'ny laoniny. - TFC, b. 7, t. 170.