Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilaina ho an'ny fahombiazana

Daty
Talata 07 October 2025

"Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko,ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana." Ezek.34:16.

Mofon’aina:        
Koa satria hita miseho eo amin’ny vatana izay zava-miseho amin’ny saina amam-panahy dia miankina betsaka amin’ny tanjaka  sy ny fiasan’ny vatana ny hery ara-tsaina sy ara-panahy; izay rehetra mahasalama ny vatana dia mampandroso ny saina sy mampivelatra toetra mahay mandanjalanja tsara . (…) Ny fahafantarana momba ny vatana sy ny fikajiana momba izany no tokony ho fototra iorenan’ny ezaka fa nabeazana rehetra.

Na dia efa hay amin’ny ankapobeny ihany aza  ireo zavatra tokony ho fantatra momba ny vatana dia mampanahy mafy kosa ny tsy firaihana mikasika ireo lalàna mifehy ny fahasalamana. (...)

Ny tanora, izay mbola ao anatin'ny hery sy tanjaka, dia zara raha mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny herijika lehibe ananany. Harena sarobidy kokoa  noho ny volamena izany, tena ilaina ho amin'ny fandrosoana mihoatra noho ny fianarana na ny faniriana toerana ambony na ny fananam-be, kanefa dia hamaivanina! (...) Firifiry ireo nanao ankilabao ny fahasalamany noho ny fitadiavan-karena na fahefana no lavo tsy afa-manoatra kanefa efa saika nahatratra ilay zavatra niriny fatratra? 

Avy eo dia ny hafa (...) no mahazo ilay loka efa nimatimatesany! Firifiry ireo marary, vokatry ny fanaovana rainazy ny lalàn’ny fahasalamana, no manjary tafiditra amin’ny fahazarana manimba, izay mamery ny fanantenany eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny amin’ny tontontolo ho avy.           

Amin'ny alalan'ny fianarana  ny momba ny vatana dia tokony hotarihina ny mpianatra hahafantatra ny maha-zava-dehibe  ny tanjaka ara-batana, sy ny fomba ahazoany  mitahiry sy mampitombo izany ka hahatonga azy ireo hahatratra ny fahombiazana tanteraka ao anatin’ny tolona lehibe atrehany eo amon’ny fiainana.

Dieny any am-boalohany ny ankizy dia tokony hampianarina, amin'ny fomba tsotra sy mazava, ny amin'ny fahalalana fototra mikasika ny vatany sy ny fikajiana izany. (...)Tokony ho  tsapan'izy ireo ny maha-zava-dehibe  ny fiarovana ny tenany amin'ny aretina,  amin'ny alalan'ny fikolokoloana  ireo taova rehetra ao anatiny. Tokony hampianarina azy ireo koa ny
fomba fiatrehana ireo aretina mateti-pitranga sy ny loza tsy ampoizina. (...)- FK, tt .213-215.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal