"Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko,ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana." Ezek.34:16.
Mofon’aina:
Koa satria hita miseho eo amin’ny vatana izay zava-miseho amin’ny saina amam-panahy dia miankina betsaka amin’ny tanjaka sy ny fiasan’ny vatana ny hery ara-tsaina sy ara-panahy; izay rehetra mahasalama ny vatana dia mampandroso ny saina sy mampivelatra toetra mahay mandanjalanja tsara . (…) Ny fahafantarana momba ny vatana sy ny fikajiana momba izany no tokony ho fototra iorenan’ny ezaka fa nabeazana rehetra.
Na dia efa hay amin’ny ankapobeny ihany aza ireo zavatra tokony ho fantatra momba ny vatana dia mampanahy mafy kosa ny tsy firaihana mikasika ireo lalàna mifehy ny fahasalamana. (...)
Ny tanora, izay mbola ao anatin'ny hery sy tanjaka, dia zara raha mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny herijika lehibe ananany. Harena sarobidy kokoa noho ny volamena izany, tena ilaina ho amin'ny fandrosoana mihoatra noho ny fianarana na ny faniriana toerana ambony na ny fananam-be, kanefa dia hamaivanina! (...) Firifiry ireo nanao ankilabao ny fahasalamany noho ny fitadiavan-karena na fahefana no lavo tsy afa-manoatra kanefa efa saika nahatratra ilay zavatra niriny fatratra?
Avy eo dia ny hafa (...) no mahazo ilay loka efa nimatimatesany! Firifiry ireo marary, vokatry ny fanaovana rainazy ny lalàn’ny fahasalamana, no manjary tafiditra amin’ny fahazarana manimba, izay mamery ny fanantenany eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny amin’ny tontontolo ho avy.
Amin'ny alalan'ny fianarana ny momba ny vatana dia tokony hotarihina ny mpianatra hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny tanjaka ara-batana, sy ny fomba ahazoany mitahiry sy mampitombo izany ka hahatonga azy ireo hahatratra ny fahombiazana tanteraka ao anatin’ny tolona lehibe atrehany eo amon’ny fiainana.
Dieny any am-boalohany ny ankizy dia tokony hampianarina, amin'ny fomba tsotra sy mazava, ny amin'ny fahalalana fototra mikasika ny vatany sy ny fikajiana izany. (...)Tokony ho tsapan'izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tenany amin'ny aretina, amin'ny alalan'ny fikolokoloana ireo taova rehetra ao anatiny. Tokony hampianarina azy ireo koa ny
fomba fiatrehana ireo aretina mateti-pitranga sy ny loza tsy ampoizina. (...)- FK, tt .213-215.