Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampivelatra ny saina sy ny toetra

Daty
Sabotsy 25 October 2025

"Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan 'ny tanany." - Isa. 65:21,22.

Mofon’aina:
Ankehitriny, toy ny tamin'ny andron'ny Zanak'Isiraely, - dia tokony hampianarina ny adidy amin'ny fiainana andavanandro ny tanora tsirairay. Tokony hahay asa tanana izy ireo, izay azony atao asa fivelomana raha ilaina izany. Zava-dehibe izany, tsy ho amin'ny fiarovana amin'ny fitaoman-dratsy fotsiny fa noho ny voka-tsoa entiny koa eo amin'ny fivelarana ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy.

Na dia misy aza ireo mahazo antoka fa tsy hilainy na oviana na oviana ny hanao asa tanana ho fidiram-bolany, dia mila ampianarina hiasa izy ireo. Tsy hanana vatana tomady sy fahasalamana matanjaka mihitsy ny olona izay tsy manao asa ara-batana; ary ilaina toy izany koa ny asa voarindra tsara, ho fanatanjahana sy fanavitrihana ny saina, ary ho famolavolana toetra mendrika.

Ny mpianatra izay nanovo fahalalana anaty boky fotsiny fa tsy tamin'ny alalan'ny asa dia tsy afaka milaza ho nandray fanabeazana tsara. Natao tsirambina ny fampiasana ny hery izay tokony ho natokana ho amin'ny sehatra samihafa. Tsy ny fampiasana saina ihany no atao hoe fanabeazana. Lafiny lehibe amin'ny fanabeazana ny tanora ny asa ara-batana. (...)

Tokony hanokana fotoana hampiasana vatana isan'andro ny mpianatra tsirairay. Ny fanaovana izany dia mamorona fahazarana miasa ary mandrisika ny toe-tsain' ny fahaleovan-tena, sady miaro ny tanora amin'ny fomba ratsy maro sy manimba izay matetika vokatry ny fidonanaham-poana. Toy izany no hanatrarana ny tanjona voalohan'ny fanabeazana; satria rehefa ampirisihina ny asa, ny fahavitrihana sy ny fahadiovana, dia mirindra amin'ny Mpahary ny fiainan'ny olona (...)

Manjary mora ny fanarahana ireo fitsipiky ny fiainana miasa izay azo amin'ny alalan'ny fampiasam-batana ampiarahina amin'ny fampiasan-tsaina, rehefa takatsika fa izany dia manomana ny saintsika sy ny tenantsika hanatanteraka ny asa voatendrin' Andriamanitra hataon'ny olombelona. (...) Ny saina beazina sy fehezina dia vonona hiasa hanasoa satria nandray ny fahalalana ilaina hahatonga izay manana azy ho fitahiana ho an'ny hafa. - MYP, tt. 177-179.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal