Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aparitaho ny fahazavana

Daty
Alarobia 19 November 2025

 "Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo." Asa. 17:23.

Mofon’aina:
Nampianarin' i Jesosy ireo mpanara-dia Azy fa mpitrosa amin' ny Jiosy sy amin'ny Grika izy ireo, (...) ka nataony izay hahatakarany fa ny fanavakavaham-pihodirana, ny saranga, ary ireo tsipika ho fampisarahana napetraky ny olombelona dia tsy nankasitrahan'ny Lanitra, ary tsy tokony hisy fiantraikany eo amin'ny fampielezana ny filazantsara. Ireo mpianatr'i Kristy dia tsy tokony hanisy fanavahana eo amin'ny namany sy ny fahavalony, fa tokony horaisiny ho toy ny namany izay mita ily fanampiany ny olona tsirairay, ary tokony horaisiny ho toy ny sahan'asany izao tontolo izao, ka hiezaka izy hamonjy ny very.

Samy nomen'i Jesosy ny anjara asany ny lehilahy sy ny vehivavy, ary nesoriny avy tao amin'ny faribolana ety izay nosoritan'ny fitiavan-tenany izy ireo (...) Tsy mamaritra fetra ho amin'ny zotom-po eo amin'ny asa fitoriana Izy, fa mampirisika kosa ny mpanara-dia Azy mba hanitatra ny asany hatrany amin'ny faritra lavitra indrindra eto an-tany. (...)

Ny sahan'asa dia ahitana vondron'olona lehibe ao anatin'ny fahamaizinan' ny fahadisoana, izay feno faniriana lalina ary koa mivavaka amin'ilay Iray izay tsy fantany akory. llain'izy ireo ny mandre ny feon'ireo mpiara-miasa amin'Andriamanitra, hilaza aminy, tahaka izay nolazain'i Paoly tamin'ny Atenianina, hoe: "Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo." 

Tokony ho mpiasa mahatoky eo amin'ny saham-pijinjana lehibe ireo mambran' ny fiangonan' Kristy. Tokony hiasa mafy sy hivavaka amim-pahamatorana izy ireo, ka hivoatra mandrakariva, ary hampiely fahazavana eo anivon'ny fahamaizinana ara-pitondran-tena eto amin' izao tontolo izao; satria moa ve tsy mandefa taratra ara-panahy amin'izy ireo ny anjelin'ny lanitra? (...) Tokony ho feno fanantenana izy ireo, mahafantatra fa tsy miankina amin'ny fahaizan'olombelona na amin'ny hoenti-manana voafetra, fa amin'ny fanampiana nampanantenain' Andriamanitra, amin'ny asan'ny anjely izay nianiana ny hanokatra ny lalana eo anoloan'izy ireo. (...)

 Hanavatsava ny lalana eo anoloantsika ny anjelin'Andriamanitra, hanomana ny fo ho amin'ny hafatry ny filazantsara, hanaraka ny mpiasa tsirairay ny hery nampanantenaina, ary "ny voninahitr Jehovah ho vodi-làlanao" – lsa. 58:8. — RH, 30 Oktôbra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal