Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasoavana hoenti-manao soa

Daty
Alahady 23 November 2025

"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an 'izay mangataka aminy?" – Mat. 7:11.

Mofon’aina:
Isika rehetra dia tsy maintsy manda tena ho an'i Kristy isan'andro. Hoy i Jesosy: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy"; "Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy." – Mat. 16:24; Lio. 14:27. 

Raha miantso an'Andriamanitra isaky ny indray mandingana isika, ka mangataka fahendrena avy any an-danitra eo am-pandrosoana, ary mikatsaka fahazavana sy fahasoavana mba hanaovantsika amin'ny hafa izay tiantsika hatao amintsika, amin'ny toe-javatra rehetra, dia ho tsapantsika ny maha-zava-dehibe ny hanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fitakian'ny lalana masin' Andriamanitra. Amin' izay, dia hanaisotra ny fijerintsika tsy hifantoka amin'ny tenantsika samirery isika fa hibanjina an'i Jesosy, ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika (...)

 Ny Tompo Jesosy no fahombia-zantsika amin'ny zavatra rehetra. Ny Fanahiny no tokony ho hery manetsika antsika; ary rehefa mametraka ny tenantsika eo am-pelatanany isika mba ho tonga fantsona mitondra fahazavana, dia tsy ho ritra na oviana na oviana ny harentsika hoentina manao soa, satria eo am-pelatanantsika ny loharanon-kerin'i Jesosy Kristy. Ho voataona hankeo amin'ny Fahafenoany isika ary handray avy amin'izany fahasoavana tsy manam-petra izany. (...)

 (...) Raha mitalaho amin'ny anaran'i Kristy manoloana ny seza fiandrianan'ny fahasoavana isika, dia azo antoka ny terry fikasana manao hoe "lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin 'ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo." – Jao. 16:22,23. Rehefa Andriamanitra no itokianao (. ..) dia ho hitanao tokoa izy. "Ary amin'izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly; eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe.. Inty Aho." – Isa. 58:9.— RH, 30 OktObra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal