Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manampia ny hafa

Daty
Talata 25 November 2025

 "Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindra fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana."- 1 Pet. 3:8,9.

Mofon’aina:
Ireo izay miasa ho an'i Kristy dia tsy maintsy ho madio am-po, mahitsy, sy mendri-pitokiana, ary tsy maintsy ho malemy fanahy sy feno fangoraham-po ary mahalala fomba koa. Misy hery mahasarika eo amin'ny fifandraisana sy ny fifampiresahana amin'ireo izay tena manana fahalalam-pomba. Ny teny feno fahalemem-panahy, ny fijery feno fangorahana, ny fitondran-tena feno fahalalam-pomba dia samy tombambidy ambony tsy azo sandaina avokoa. Ny Kristianina tsy mahalala fomba, izay tsy miraharaha ny hafa, dia maneho miharihary fa tsy mikambana amin'i Kristy izy ireo. (...)

 Toy ny fiainana niainan'i Kristy fony Izy tety an-tany ihany no tokony ho fiainan' ireo Kristianina mpanara-dia Azy. lzy no ohatra alaintsika tahaka, tsy amin'ny fahadiovany ihany fa amin'ny faharetany sy ny fahalemem-panahiny, ary ny fahavononany hikarakara sy hihevitra ny hafa. Hentitra sy mafy toy ny vato Izy manoloana ny fahamarinana sy ny andraikitra tokony hotontosaina, nefa kosa tsy niova ny halemem-panahy sy ny fahalalam-pomba nananany. (...) 

Nitondra rivo-piainana madio sy nahafinaritra ny tokantrano ny Fanatrehany, ary ny fainany dia toy ny masirasira miasa ao anatin'ny fifangaroan'ny fiaraha-monina. Tamim-pahamendrehana tsy mety sasatra, no nandehanany niaraka tamin'ny (...) karazan'olona samihafa. Nofenoiny teny feno fangoraham-po teny amin' izay nahitany olona efa reraka sy itambesaran' ny enta-mavesatra. (...)

Nitady izay fomba hamelomana ny fanantenana tao amin'ireo izay tena ketraky ny fahakiviana sy efa nilofika tsy nanana fanantenana intsony Izy, ka napetrany teo anoloany ny antoka fa afaka ny ho tonga tsy manan-tsiny sy tsy hanana fanahiana indray izy ireo, ka hanatratra izay toetra tokony haneho ny maha-zanak'Andriamanitra azy indray. (…)

Ny fitiavan'i Kristy no manalefaka ny fo sy manalama ireo marokorokon' ny toetra rehetra. Aoka isika hianatra eo Aminy ny fomba hampiarahana ny atao hoe fahadiovana sy fahitsiana miaraka amin'ny famirapiratan'ny toetra. Ny Kristianina malemy fanahy sy mahalala fomba no fandresen-dahatra matanjaka indrindra afaka hitondra vokatra eo amin'ny fitoriana ny Filazantsara. — RH, 20 Aogositra 1959. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal