Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rehefa mangetaheta ny fahamarinana isika

Daty
Sabotsy 29 November 2025

"Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an 'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan 'Andriamanitra?"– Sal. 42:1, 2.

Mofon’aina:
Manana fahamarinana sarobidy hambara amin'ireo izay maniry hahatakatra ny zava-panahy ny Tompo. Ho an'ny rehetra ny fampianarany ary tandrify sy sahaza ho an'ny filan'ny tsirairay. Na dia voatafin'ny fomba fiteny tsotra izay azon'ny ankizy takarina aza ireo Fampianarany, dia lalina kosa ny fahamarinana raketiny ka na ireo manam-pahalalana be indrindra aza dia ho babo ary hiankohoka amin'llay Tompon'ny fahendrena tsy manam-paharoa. Mety hahita zava-mahafa-po ny sainy ao amin'ny fanambarana tsotra ataony ireo izay hendry indrindra, nefa ny tso-piaina indrindra koa dia hahatakatra ny Fahamarinany ka handray ireo Teny fikasany izay hampitony ny hetahetan'ny fanahy.

 Nampianatra ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesosy, mba hamohazana ao anatin' izy ireony fanirianatahahatakatra ny momba an' Andriamanitra, ka hibanjina ny fahatanterahan'ny toe-tran'Andriamanitra sy hangataka ny fahamarinan'i Kristy izy. Izany mantsy no hahafahana manaiky azy eo anatrehan' i Jehovah Tompo. 

Mahatsapa fahabangana ao amin'ny fanahinao ye ianao?Moa ye ianao noana sy mangetaheta ny fahamarinana? Porofo mibaribary izany fa niasa tao am-ponao i Kristy ka nametraka izany hetaheta izany tao amin'ny fanahinao, mba hahatonga anao hangataka Azy hanatanteraka ho anao (...) ireo zavatra izay tsy azon'ny tenanao samirery hotanterahina na oviana na oviana. (...) 

Noraketina an-tsoratra ireo fanoharana nataon'i Kristy, ka ny heviny dia ho tsotra sy madio ho an' izay mahatoky sy fatra-pikatsaka ny fahamarinana (...). Ireo izay tsy mikatsaka ny fahamarinana toy ny fitadiavana harena miafina kosa dia mampiharihary fa tsy faniriany lalina ny hahalala ny fahamarinana. Mbola milaza izao amin'ireo mpanara-dia Azy marina i Kristy: "hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin 'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy."– Mat. 13:11,12. (...) — ST, 7 Novambra 1892.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal