Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao amin’i Kristy ny hery

Daty
Alahady 25 February 2024

“(...) aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy.” - Isa. 27:5b.

Tsy hain’ny fahavalo resena na ny malemy indrindra amin’ny mpianatr’i Kristy aza, dia izay mitolona amim-bavaka eo anatrehan’ny Tompo. Misalovana i Kristy ho fialofana sy fiarovana azy amin’ny fanafihan’ilay ratsy. Ity ny teny fikasana: “Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo, ny Fanahin’i Jehovah hanangana faneva hisakanana azy.” (Isa. 59:19; jereo ny naoty etsy ambany ao amin’ny Baiboly)

Navela haka fanahy an’i Petera, ilay matoky tena loatra, i Satana, tahaka ny namelana azy haka fanahy an’i Joba koa. Saingy rehefa vitan’i Satana io asa io dia tsy maintsy miala izy. Raha navela hanao araka izay tiany i Satana dia tsy ho nisy fanantenana ny amin’i Petera, ho levona tanteraka ny finoany. Kanefa tsy sahy mandingana ny fetra napetraka mba tsy hihoarany i Satana, na kely aza. Na ny tafik’i Satana iray manontolo aza no mivondrona dia tsy afaka mandavo fanahy iray izay mitoky amim-pahatsorana amin’ny fahendren’ Andriamanitra.

Aro sy tilikambo mafy ho antsika i Kristy, ary tsy manana fahefana amin’ny fanahy izay miara-mandeha amin’ Andriamanitra amin’ny fanetren- tena i Satana. “Aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy”, hoy Jehovah. Ao amin’i Kristy no misy ny fanampiana lavorary sy tanteraka ho an’ny fanahy tsirairay alaim-panahy. Voatemitra loza ny lalana, saingy efa vonona hiaro ny lanitra manontolo mba tsy hisy na iza na iza halaim- panahy mihoatra noho izay zakany. Misy ny sasany manana toetra henjana izay mila fehezina mandrakariva. Raha ampitoerina eo ambanin’ny fifehezan’ny Fanahin’Andriamanitra izany toetra izany dia hanjary fitahiana, raha tsy izany kosa dia ho tonga ozona (...). Raha manolo-tena hanao ny asa tsy amim-pitiavan-tena isika, ka tsy mivily na amin’ny foto-kevitra kely indrindra aza, dia ho eo an- tsandrin’Andriamanitra mandrakizay, izay hanohana antsika amin-kery. Raha mino sy miantehitra tanteraka amin’i Jesésy isika, dia tsy handao antsika Izy na inon-kidona na inon-kitranga. — MLT, t. 316.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal