Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatratra ny idealin’i Kristy

Daty
Sabotsy 13 December 2025

 "Fa  Izao no lazain'ny Tompo, dia Jehôvah , ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin 'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin 'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian 'ny herinareo; nefa tsy nety hianareo." – Isa. 30:15.

Mofon’aina:

Hitan'Andriamanitra ny ezaka rehetra ataonao mba hanatrarana ny filamatra efa napetrany ho anao. Rehefa tsy mahomby ianao, rehefa voafandrika hanota, dia aza mihevitra fa hoe tsy afaka mivavaka, na koa tsy mendrika hankeo anatrehan'Andriamanitra. (...) Amin' ny sandry mitsotra no hiandrasany hisakambina ilay nania. Manatôna Azy, ary lazao Azy ny fahadisoanao sy ny tsy fahombiazanao. Angataho Izy hanatanjaka anao ho amin'ny ezaka vaovao. Tsy handiso fanantenana anao Izy na hanararaotra ny fitokisanao Aminy. (...) 

Hihatra aminao ny fizahan-toetra. Amin' izany no handaman'ny Tompo ny marokoroko amin'ny toetranao. Aza mimonomonona. (...) Na dia misy manisy ratsy anao aza, dia hazony ao am-ponao ny fitiavana an'Andriamanitra. (...) 

Fantatr'i Kristy ny herin'ny fakam-panahy mihatra aminao sy ny hery hoentinao manohitra izany. Ny sandriny dia mitsotra mandrakariva, miantra sy manambitamby ny zanany ory rehetra. Ho an' izay alaim-panahy na kivy dia hoy Izy: Anaka, ianao no antony nijaliako sy nahafatesako, afaka matoky Ahy ve ianao? (...)

Tsy misy teny mahalaza ny fiadanana sy ny fifaliana ananan'izay mihazona an'Andriamanitra amin'ny Teniny. Tsy mampaninona azy ny fitsapana ary tsy manafintohina azy ny fanevatevana. Voahombo ny izaho. Mety hihamavesatra isan'andro ny adidiny, mety hihamahery koa ny fakam-panahy mamely azy, ary mety hihamafy ny fitsapana, nefa tsy milofika izy, satria mandray hery mifanentana amin' izay ilainy hiatrehana izany. — YI, 26 Jona 1902. 

(...) I Kristy tsy nanome toky tsy akory fa zavatra mora ny hahatrarana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.(...) Ny toetra amam-panahy ambony dia azo noho ny fiezahan'ny tena manokana amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny fahasoavan'i Kristy. Manome antsika ny talenta sy ny fahaizana Andriamanitra; anjarantsika ny mamolavola ny toetra amam-panahy.(...) Tokony hokianintsika akaiky ny tenantsika ka tsy avelantsika hisy lafiny iray tsy ho voahitsy. (...)-HF, t. 339 (ed. 2004)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal