Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo

Daty
Alahady 10 March 2024

Vakio ny Sal. 84:1-4, Nahoana ny mpanao Salamo no maniry fatratra hitoetra ao amin'ny fitoerana masina?

"Manina" sy “vonton’alahelo” ny fitoerana masina ilay mpanao Salamo; iriny ny hitoetra ka tsy hiala ao mba hanakaikezany an’Andriamanitra mandrakariva (Sal. 84:1,2). Ny fanatrehan’Andriamanitra velona no mahatonga ny fitoerana masina ho toerana miavaka (Sal. 84:2).Ao amin'ny fitoerana masina, dia azon'ny mpivavaka atao ny “hahita ny hatsaran’i Jehovah’ (Sal. 27:4, DIEM; jereo koa ny Sal. 63:2) ary koa ny “ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao’ - Sal. 65:4. ‘Ao amin'ny Sal. 84, dia fifaliana tsy misy toa izany no azo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, dia amin'ny fiderana Azy (Sal. 84:4) sy amin’ny fahazoana hery ao Aminy (Sal. 84:5) ary amin’ny fitokiana Aminy (Sal. 84:12). Ny fitoerana masina no toerana amelombelomana ny fifandraisana tahaka izany amin'ny alalan'ny fiankohofana sy ny firahalahian'ny mpino. Ny fanatrehan’Andriamanitra velona ao amin'ny fitoerana masina no ahitana taratra ny fanjakany be voninahitra sy fanandramana sahady ny fiainana mandrakizay.

Vakio ny Sal. 84:5-12. Iza koa no mahazo fitahiana avy amin'ny fitoerana masina?

Voalaza fa mamirapiratra avy ao amin'ny fitoerana masina ny fitahian’ ‘Andriamanitra, ary ireo izay manompo ao amin'ny fitoerana masina no androtsahana izany voalohany indrindra (Sal. 84:4); aorian'izy ireo dia ny mpivahiny hankao amin'ny fitoerana masina (Sal. 84:5-10) ary amin'ny farany dia mahatratra any amin'ny faran'ny tany izany. Mampatanjaka ny finoan‘ireo mpivahiny ny fanantenana ny fihaonana amin’Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina (Sal. 84:7). Mihena ny herin’ny mpivahiny tsotra rehefa vesaran'ny dia lavitra mandreraka, fa ny mpivahiny hankany amin’ny fitoerana masina kosa dia mitombo hery arakaraka ny anakaikezany ny fitoerana masina.

Na dia nesorina tsy ho ao amin’ny fitoerana masina aza ny tenan'ny zanak’ ‘Andriamanitra dia mbola mitondra ny mariky ny fitoerana masin’Andriamanitra hatrany izy ireo amin’ny fananana fiainana mendrika (Sal. 84:11), izay toetra mampiavaka ny marina miditra ao amin'ny tabernakelin'i Jehévah (Sal. 15:1,2). ‘Antsoina hoe “Masoandro” i Jehévah; maneho izany fa ny fitahiana avy ao amin'ny fitoerana masina, tahaka ny tara-masoandro, dia mipaka hatrany amin'ny faran’ny tany (Sal. 84:11). Araka izany, ireo izay mitoetra eo amin’ Jehévah amin'ny alalan'ny finoana dia mandray ny fahasoavany, na aiza na aiza toerana misy azy ireo.

Vakio ny Apok. Inona ny fanantenana hita taratra teo amin'ny fitoerana masina teto an-tany izay ambara amintsika eto? Ahoana no ahazoanisika sary an-tsaina ankehitriny ny ho toetr'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal