Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifankazatra amin’Andriamanitra.

Daty
Zoma 02 January 2026

" Mifankazara amin’ny Tsitoha hianao, dia hiadana; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Masina hianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny." Jôba 22:21,22.

Mofon’aina:     
Efa drafitra nokotrehin’i Satana hatrany am-boalohany ny hahatonga ny olona hanadino an’Andriamanitra, mba hanintonany azy ireo ho eo aminy. Nataony, araka izany, izay hanehoana amin’ny fomba diso ny toetran’Andriamanitra (...) Sarin’ny Mpahary mitafy ny toetran’ilay andrianan’ny faharatsiana, mpanao didy jadona sy lozabe ary tsy mamela heloka, no nampidiriny tao an-tsain’izy ireo, mba hahatonga ny olona hatahotra sy handositra ary hankahaia Azy mihitsy aza.

Tonga tety i Kristy mba hampahafantatra ny toetran’Andriamanitra, amin’ny maha fitiavana sy be indrafo sy fiantrana Azy. Hay Mpanavotra an’izao tontolo izao no nandroaka ny haizina matevina izay nanaronan’i Satana ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ka naseho ho hitan’ny zanak’olombelona indray ny maha Fahazavan’aina ny Ray. (...)

Malahelo i Kristy raha mijery ny olona revo tanteraka amin’ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fahasarotan’ny asa aman- draharahany ka tsy manam-potoana hifankazarana amin’Andriamanitra. Efa verin’izy ireo ny fisaintsainana sy ny faniriana momba ny lanitra. Tsy mifankazatra amin’ny zavatry ny lanitra izy ka mahamonamonaina azy ny fandrenesana momba izany. Tsy tiany hanembantsembana ny sainy ny fampieritreretana azy momba ny filany famonjena. Kanefa irin’ny Tompo ny hanaitra ny sainy mba hahatonga azy ireo hahafantatra Azy, dieny tsy mbola tratra aoriana, ary handray ny famonjena atolony. (...)

Ho avy ny andro izay hanononana amin’ny fomba mampivarahontsana ny fahatezeran’Andriamanitra m irehitra amin’ireo izay nitoetra tao amin’ny tsy fankatoavana Azy. (...) Tsy voatery ho anisan’ireo izay hianjeran’ny fahatezerany ianao. Velona ao anatin’ ny androm-pamonjeny isika izao. Mamirapiratra amin’ny taratra mazava sy manjopiaka ny fahazavana avy eo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary, mampiseho an’i Jesôsy Hay fanatitra noho ny otantsika. “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika (...)” - Efes. 1:7.

Irin’Andriamanitra ny hamerina indray ny endriny ao aminao. Inoy fa Izy no Mpamonjy anao. Manapaha hevitra mba hifankazatra Aminy. Rehefa manatona Azy amin’ny fiaiken- keloka sy ny fibebahana ianao, dia hanatona anao amin’ny famindram-po sy ny famelan-keloka Izy. – RH, 15 Febroary, 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal