Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hanameloka fa hamonjy

Daty
Sabotsy 10 January 2026

  "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." - Jao. 3:17.

Mofon’aina:
Misy fanahy mangovitra noho ny tsy finoana. Hoy izy: "Ahoana no hahafantarako fa mihavana amin' Andriamanitra aho? Ahoana no hahazoako antoka fa tia sy mamela ny heloko lzy?" Tsy anjaranao, ry tanora malala, ny mampihavana ny tenanao amin'Andriamanitra. Manasa anao i Jesosy hanatona Azy miaraka amin'ny enta-mavesatrao sy ny fahasahirananao rehetra. (...) Raiso ny teny fikasana sy ny fanomezan'Andriamanitra. (...) Esory eo amin'ny tenanao ny fijerinao ka afindrao eny amin'i Jesosy, fa ao amin' i Kristy no anehoana ny toetran'ny Ray. - YI, 29 Septambra 1892

 Ny ran'i Kristy (...) no hany fanantenana ho antsika, satria amin'ny alalansny Fahamendrehany ihany no ahazoantsika famelan-keloka sy fihavanana. - YI, 22 Septambra 1892 

Ny toetran'Andriamanitra izay aseho ao amin'i Kristy no mitaona ny finoantsika sy ny fitiavantsika, fa manana Ray izay mamindra fo sy miantra mandrakizay isika. Eo amin'ny dingana tsirairay handehanantsika any an-danitra, dia hiaraka amintsika Izy, hitari-dalana ao anatin' ny zava-tsarotra rehetra ary hamonjy antsika isaky ny misy fakam-panahy. - 29 Septambra 1892

(...) Misy fahamarinana lehibe sy sarobidy mita saintsaininao, mba hanana fanorenana mafy ny finoanao, noho ny fahalalana tsara ny momba an'Andriamanitra. (...) 

Tsara ny mikatsaka hahalala izay rehetra azo ianarana avy amin'ny zavaboary, kanefa aza hadinoina fa ao amin'i Kristy no misy ny fanehoana amin'ny fomba feno ny toetran'ilay Andriamanitra velona. Amin'ny fibanjinana an'i Kristy sy ny fikatsahana ny hanahaka an'Andriamanitra no h ivelaran' ny fahalalanao momba ny Toetrany ary am in'izany koa no hanandratana sy hanadiovana ny sainao sy ny fonao. Aoka ny tanora hikendry ny avo, tsy hiantehitra amin'ny fahendren'olombelona fa hiaina isan'andro isan'andro toy ny mahita izay tsy hita, ary hanao ny asany toy ny eo anatrehan'ireo anjelin'ny lanitra. (...) 

Izay miantehitra lalandava amin' Andriamanitra amin'ny fitokisana tsotra sy arahim-bavaka dia hodidinin'ireo anjelin'ny lanitra. Izay rniaina amin'ny finoana an'i Kristy dia hohatanjahina, ka ho afaka hiady ny ady tsaran'ny finoana ary hahazo ilay fiainana mandrakizay. — YI, 22 Septambra 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal