Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiovam-po

Daty
Alarobia 14 January 2026

 "Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin 'ny fanatrehan 'ny Tompo." - Asa. 3:19

Mofon’aina:
Tsy rnaintsy mahala la ny hevitry ny tena fiovam-po   marina, amin'ny alalan'ny fanandramana, isika mba hahazoantsika famonjena. Fahadisoana mahatahotra ho an'ny lehilahy sy vehivavy ny mitonona isan'andro ho Kristianina nefa tsy mendrika ny hitondra izany anarana izany akory. Tsinontsinona eu imason'Andriamanitra ny fitompoan-teny fantatra na ny toerana ambony. lzao no fanontaniana apetrany: moa ve ny fiainany mifandrindra amin'ny Didiko? Marobe ireo mihevitra fa efa niova fo nefa tsy mahazaka ny fizahan-toetra amin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra. (...) 

Ny fiovam-po dia fialana amin'ny tsy fahamarinana mankam in ' ny fahamarinana. Rehefa miantehitra amin'ny fahamendrehan'i Kristy ka mino Azy marina tokoa ny mpanota mibebaka, dia havela ny helony. Hitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'Andriamanitra izy rehefa initsahatra amin'ny fanaovan-dratsy ary ianatra manao ny tsara. (...) 

Hanatevin-daharana ny miararnilan' i Kristy izy ary hirotsaka hiady amim-pahasahiana sy amim-pifaliana, hanohitra ireo fironana mpahazo ny olombelona sy ny faniriana feno fitiavan-tena ary hampilefitra ny sitrapony eo anatrehan'ny Sitrapon'i Kristy. Isan'andro no hangatahany fahasoavana amin'ny Tompo ka hohatanjahina sy hampiana izy. Ny "izaho" no nanjaka tao am-pony taloha ary ny rendrarendran'izao tontolo izao no fahafinaretany. Miala eo amin'ny seza fanapahana ankehitriny ny "izaho" ka Andriamanitra no manjaka ao. (...) Manjary halany izao ny fahotana izay maminy taloha, ary amin'ny fanapahan-kevitra matotra sy tsy miovaova no hanarahany ny lalan'ny fahamarinana. [zany no tena fiovam-po marina. (...) 

Aoka tsy hohadinointsika fa tsy maintsy  m iara-m jasa amin' Andriamanitra ny olona eo amin'ny fiovam-po sy ny fanamasinana azy. "(...) miasa amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo" hoy ny Teny. "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." - Fil. 2:12,13. (...) Tsy maintsy avy am in'Andriamanitra ny hery mitondra fiovana, ary ny Fanahy Masina irery no mahay manova. izay te hovonjena, na ambony izy na am bany, na manan-karena izy na mahantra, dia tsy maintsy milefitra amin'ny fiasan' izany hery izany. - RH, 7 Jolay 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal