Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery lehibe tsy hita maso 

Daty
Zoma 16 January 2026

"Ny rivotra mitsoka amin 'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny fanahy." Jao. 3:8.

Mofon’aina:
Manapaka ao amin'ny olona tsirairay ny Fanahy Masina; feon' Andriamanitra miteny amin'ny fanahy izany. - RH, 27 Jolay 1897.

Na ny fisainan'izay avara-pianarana indrindra aza tsy mahay mamaritra ny fiasan'ny Fanahy Masina ao anatin'ny sain'ny olona sy eo amin'ny toetrany, nefa azony jerena eo amin'ny fiainana sy ny asa ny vokatr' izany asa izany. (...)

Tsy hita maso ny Fanahin' Andriamanitra, nefa fantatsika fa ny olona izay efa maty tao amin'ny fahadisoany sy ny fahotany dia resy lahatra ka miova fo vokatry ny asany. Tonga hendry ireo adala sy nania; mibebaka amin'ny helony ireo mafy fo ary manjary mino ny tsy nanam-pinoana. Ny mpiloka sy ny mpimamo ary ny ratsy fitondrantena, dia tonga mendrika sy mahonon-tena ary madio. Manjary malemy fanahy sy tahaka an'i Kristy ireo mpikomy sy mafy hatoka. 

Azontsika antoka fa nanova tanteraka ny olona iray ny hery mahova avy amin'Andriamanitra rehefa hitantsika eo amin'ny toetrany ireo fiovana ireo. Tsy hitantsika ny Fanahy Masina, saingy hitantsika ny porofon'ny asany eo amin'ny fiovan-toetran'ny mpanota mafy hatoka. Toy ny tafio-drivotra mitsoka mafy ka manetsiketsika ny hazo avo ary mandavo azy no fiasan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ny olona, ar;, tsy misy olombelona mety maty afaka mametra ny fiasan'Andriamanitra. (...) 

Tsy hita maso izay manao ny asa, fa hita kosa ny vokatry ny asany. - RH, 5 Mey 1896.

Ireo izay tsy mandre fotsiny fa manatanteraka ny asan'i Kristy dia mampiseho eo amin'ny toetrany ny fiasan'ny Fanahy Masina. Hita eo amin'ny fitondrantena ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao anaty. Voafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainan'ny Kristianina, ary Andriamanitra mahalala ny Azy ka milaza hoe: "Hianareo no vavolombeloko." Mijoro ho vavolombelona izy ireo fa miasa ao am-pony sy manefy ny fitondrantenany ny herin'Andriamanitra. (...) 

Fantsona manapariaka ny herin'ny Fanahy Masina ireo izay mifandray am in' Andriamanitra. (...) H iseho amin'ny fitondrantena ny fiainana ao anaty. — RH, 12 Mey 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal