Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fifidianan'ny lanitra

Daty
Zoma 23 January 2026

"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." — 2 Pet. 1:10.

Mofon’aina:
Izany no hany fifidianana resahin' ny Baiboly. Na dia tafalatsaka Jit tao anatin'ny fahotana aza isika, dia afaka ny ho mpiray amin'ny fom ban' Andriamanitra sy hahazo fahalalana ambony lavitra noho ny siansa rehetra. Amin'ny fandraisana ny nofo sy ran'ilay Tompontsika izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay." — Jao. 6:54.

Tsy misy olona tokony hamoy ny fiainana mandrakizay. lzay rehetra mifidy isan'andro ny hianatra amin' I lay Mpampianatra avy any an-danitra dia hanao ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ho azo antoka. Andeha isika hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitra, ary hanao izay hahalalana Azy, fa ny fahafantarana Azy marina no fiainana mandrakizay.

"Mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an 'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." — 2 Pet. 1:10,11.

Ireo no taratasy fiantohana ho an'ny fiainanao ara-panahy. Tsy fiantohana izay hositrahin'ny hafa aorian'ny fahafatesanao anefa fa antoka iray hanananao fiainana mifamatra amin'ny an'Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay izany. Toky sy fanantenana lehibe manao ahoana re izany! Andeha isika hanambara amin'izao tontolo izao fa fonenana tsara kokoa no katsahintsika, fonenana any an-danitra. Natao ho antsika ny lanitra ary irintsika ny hanana anjara amin'izany. Tsy misy na inona na inona tokony havelantsika hampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra. (...) Ry anadahy sy rahavavy, fiainana iray monja no anananao, aoka izany hanaovana ny tsara sy ho fiainana miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra!

Aoka isika hifanampy amin'ny fanatrarana ny fahatanterahan-toetra ka hampitsahatra ny fifanakianana rehetra. Handroso hatrany isika mba ho tonga amin'ny fahatanterahana, mandra-pahatonga ny fotoana hanomezana malalaka ho antsika ny fidirana ho any amin'ny fanjakan'ny lanitra. - RH, 26 Mey 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal