Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sombin-danitra ety

Daty
Sabotsy 24 January 2026

 "Mitadiava an 'i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, izay nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin 'ny andro fahatezeran'i Jehovah." — Zef. 2:3.

Mofon’aina:
Mmanoloana ny toe-javatra izay hitranga tsy ho ela eto an-tany, dia miangavy anareo aho, ry anadahy sy rahavavy, mba handeha eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahalemem-panahy sy ny fietrena (...). Ny malemy fanahy rehetra amin'ny tany dia ampirisihina hitady Azy. (...) Aoka ho torotoro eo anatrehan'Andriamanitra ny "izaho". Sarotra ny manao izany, nefa asaina mianjera eo amin'ny Vatolampy isika ka ho torotoro, raha tsy izany dia Izy no hianjera amintsika ka hanorotoro antsika ho vovoka. (...)

Inona no atao hoe Kristianina? Midika ho fanahafana an'i Kristy sy fanaovana ny asany izany. Misy ireo tsy mahomby amin'ny lafiny iray, ny sasany indray tsy mahomby amin'ny lafiny hafa. (...) Isaky ny misy fanafintohinana na fitsapana madinika, dia angataho amim-bavaka mangina Andriamanitra mba hanome anao hery sy fahasoavana hahazakanao izany amim-paharetana. Misy hery ao amin'ny fanginana; koa aza manonona na dia teny iray monja aza raha tsy efa avy nampakatra ny fangatahanao tany amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra.

Raha ataonao mandrakariva izany, dia ho resinao ny toetra mora tezitra ary hiaina sombin-danitra etj, an-tany ianao ho fiomanana ho amin'ny lanitra.

lrin'Andriamanitra ho madio tanana sy mahitsy fo ny vahoakany. Moa ve izany hampahory azy ireo? Hahatonga tsy fifaliana ao amin'ny ankohonany ve raha toa izy tsara fanahy sy mahari-po, ary mahalala fomba sy mandefitra? Tsy izany velively. (...) Raha tsy vonona hiara-monina amim-pilaminana eto an-tany ny tsirairay ao anatin'ny ankohonana, dia tsy mbola vonona ny hiara-monina amin' ny fianakaviana izay hanodidina ny seza fiandrianana fotsy lehibe izy ireo. (...)

Tokony hanao izay hisarahana amin'ny fahotana isika ary hiantehitra amin'ny fahamendrehan'ny ran' i Kristy; ka rehefa ho avy ny androm-pahoriana, rehefa hanenjika antsika ny fahavalo, dia hiara-mandeha amin'ny anjely isika. Ho toy ny rindrina afo manodidina antsika izy ireo, ary hiara-mandeha amin'izy ireo isika indray andro any, ho any amin'ny tanànan' Andriamanitra. - RH, 19 Nôvambra, 1908 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal