Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sombin-danitra ety

Daty
Sabotsy 24 January 2026

 "Mitadiava an 'i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, izay nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin 'ny andro fahatezeran'i Jehovah." — Zef. 2:3.

Mofon’aina:
Mmanoloana ny toe-javatra izay hitranga tsy ho ela eto an-tany, dia miangavy anareo aho, ry anadahy sy rahavavy, mba handeha eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahalemem-panahy sy ny fietrena (...). Ny malemy fanahy rehetra amin'ny tany dia ampirisihina hitady Azy. (...) Aoka ho torotoro eo anatrehan'Andriamanitra ny "izaho". Sarotra ny manao izany, nefa asaina mianjera eo amin'ny Vatolampy isika ka ho torotoro, raha tsy izany dia Izy no hianjera amintsika ka hanorotoro antsika ho vovoka. (...)

Inona no atao hoe Kristianina? Midika ho fanahafana an'i Kristy sy fanaovana ny asany izany. Misy ireo tsy mahomby amin'ny lafiny iray, ny sasany indray tsy mahomby amin'ny lafiny hafa. (...) Isaky ny misy fanafintohinana na fitsapana madinika, dia angataho amim-bavaka mangina Andriamanitra mba hanome anao hery sy fahasoavana hahazakanao izany amim-paharetana. Misy hery ao amin'ny fanginana; koa aza manonona na dia teny iray monja aza raha tsy efa avy nampakatra ny fangatahanao tany amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra.

Raha ataonao mandrakariva izany, dia ho resinao ny toetra mora tezitra ary hiaina sombin-danitra etj, an-tany ianao ho fiomanana ho amin'ny lanitra.

lrin'Andriamanitra ho madio tanana sy mahitsy fo ny vahoakany. Moa ve izany hampahory azy ireo? Hahatonga tsy fifaliana ao amin'ny ankohonany ve raha toa izy tsara fanahy sy mahari-po, ary mahalala fomba sy mandefitra? Tsy izany velively. (...) Raha tsy vonona hiara-monina amim-pilaminana eto an-tany ny tsirairay ao anatin'ny ankohonana, dia tsy mbola vonona ny hiara-monina amin' ny fianakaviana izay hanodidina ny seza fiandrianana fotsy lehibe izy ireo. (...)

Tokony hanao izay hisarahana amin'ny fahotana isika ary hiantehitra amin'ny fahamendrehan'ny ran' i Kristy; ka rehefa ho avy ny androm-pahoriana, rehefa hanenjika antsika ny fahavalo, dia hiara-mandeha amin'ny anjely isika. Ho toy ny rindrina afo manodidina antsika izy ireo, ary hiara-mandeha amin'izy ireo isika indray andro any, ho any amin'ny tanànan' Andriamanitra. - RH, 19 Nôvambra, 1908 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal