Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahakiviana miova ho fanantenana sy fifaliana

Daty
Zoma 30 January 2026

 "Ny Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin 'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin 'ny Fanahy Masina." — Rôm. 15:13.

Mofon’aina:
Raha tsy nanolotra ny ainy ho sorona i Jesosy ary tsy nitsangana indray, dia tsy ho nahalala ny atao hoe fiadanana isika ary tsy ho nahatsapa fifaliana velively fa ho niaina tao anatin'ny haizina mahatahotra sy ny fahakiviana mahafadiranovana. Koa aokanyfiderana sy ny fankasitrahana no hameno ny fontsika. Nandritra ny fiainantsika dia nandray ireo tombontsoa natolotry ny lanitra isika ary nahazo ny fitahiana avy amin'ny fanavotana sarobidy nataony. (...) Rehefa ianjadian'ny fanaintainana sy ny alahelo ary ny fahoriana isika, dia aoka tsy hisy na dia fimonomononana iray aza izay hanala baraka ny Mpanavotra antsika. (...) Kely ny fahoriantsika raha oharina amingizay mendrika ny fahotantsika. (...)

Moa ve isika hibanjina Ilay nolefonina noho ny otantsika nefa tsy hanaiky ny hisotro koa amin'ny kapoaky ny fanalam-baraka? Ny fahotantsika no nameno ny kapoaka mangidy izay nesoriny tamin'ny molotsika ka nosotroiny, mba hanohofany eo am-bavantsika ny kapoaky ny fitahiana. (...)

Aoka ny tenin'ny fanahy ho feno fifaliana sy fankasitrahana. Raha misy manana tantara maizina eo amin'ny fiainany dia aoka izy handevina izany.  Fisainana sy fihetsehampo miteraka fankasitrahana sy fiderana ihany no aoka hokolokoloina. (...)

Mangataka aminao aho mba tsy hamoaka feo fitarainana fa hanolokolo fihetsehampo mahay mankasitraka sy misaotra. Amin'izany no hianaranao hihira ao am-po. Aoka hifamatotra amin'ny fanandramanao ny kofehy volamenan'ny fankasitrahana. Banjino ilay tany tsara lavitra, izay tsy misy ranomaso, tsy misy fakam-panahy na fitsapana, tsy misy fahaverezana na faniniana, fa feno fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana. Azonao alaina sary an-tsaina ety izany rehetra izany ka hahatonga anao hisaintsaina bebe kokoa momba ny lanitra sy hanome anao ny hery avy any ambony, ary hampitony ny hetahetan'ny fanahinao amin'ny onin'ilay rano velona, dia hametraka ny tombokase misy ny Sariny ao am-ponao Andriamanitra. (...)- Ms 9, 1883.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal