"Dia hoy izaho: inty aho tonga - ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy, ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko." — Sal. 40:7,8.
Mofon’aina:
Efa voatendry tao amin'ny filan-kevitry ny lanitra fa tsy maintsy omena ohatra velona ny amin'ny fitandremana ny lalàna ny olombelona. Rehefa nanapa-kevitra ny hanao izany sorona lehibe izany Andriamanitra, dia tsy navelany hanjavozavo na tsy hazava izay mahakasika ny famonjena ny taranak'olombelona. Nomena fenitra ny olona mba hotahafiny. Tamin'ny feo re mazava sy fahamboniana lehibe no nanononany ny Lalàny avy teo an-tendrombohitra Sinay. Nolazainy mazava izay tokony hataontsika mba hanehoana ny fanoavana izay ankasitrahana eo anatrehany ary koa mba hitoerantsika ho mahatoky amin'ny Didiny. "Tiava an 'i Jehovah Andriamanitrao amin 'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra sy ny fanahinao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:37-40.
Lalina loatra ny fitiavan' Andriamanitra ny zavaboariny, ka "nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:16. Tonga i Kristy mba hanome herin-tsaina ho an'ny olona sy hanandratra azy, mba hahatongavany ho mpiombona amin'ny fomban' Andriamanitra ka ho afaka amin'ny fahalotoana eto amin'izao tontolo izao izy. Noporofoiny tamin'ny tontolo tsy lavo sy tamin'ny olombelona fa azo atao ny mitandrina ny lalàna. Na dia nitafy ny maha olombelona aza Izy dia nankatô ny lalàn'Andriamanitra; nasehony tamin'izany fa marina Andriamanitra amin'ny fitakiany ny fankatoavana ny lalàna. (...)
Izay rehetra manana fahafaha-misaina dia afaka hamantatra ny halehiben'ny adidiny. I Kristy no modely ho antsika. Niaina fiainana tsy misy pentina Izy tamin'ny maha olombelona Azy. Namindra fo sy niantra ary nankatô Izy, ary feno fahatsarana sy fahamarinana. Tamin'ny fiainam-pankatoavany no nanehoany marina tokoa ny toetry ny lalàna. Amin'ny firaisana amin'i Kristy no hahafahan'ny olombelona mpanota sy lavo mampifanaraka ny fiainany amin'ny fitsipiky ny lanitra. (...) - Ms 48, 1893.