Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo amin'ny fahazavan' ny hazo fijaliana

Daty
Alahady 15 February 2026

 "Mijery an 'i Jesosy, Tompon 'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan' Andriamanitra izy." Heb. 12:2.

Mofon’aina: 
Midika ho fiainana fa tsy fahafatesana ny hazo fijaliana, ho an'ny fanahy izay mino an'i Jesosy. Raiso ny taratra sarobidy mitondra fiainana avy eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary; atsory ny tananao handray ny fitahiana. (...)

Aza mankao ambadiky ny hazo fijaliana. Aza omena toerana ny fitomaniana sy ny fitarainana ary ny fahoriana, atanjaho ny fanahinao mba hanantenasy. hifaly. Mampiandrandra ny masonao hijery ilay Mpamonjy velona ny hazo fijaliana, lzy ilay Mpisolovava anao (...) Rehefa tsy mahita afa-tsy ny aloky ny hazo fijaliana ianao, dia satria mijoro eo anelanelanao sy ny taratra mamirapiratr'llay M asoandron ' ny Fahamarinana i Satana. (...)

(...) Tsy mpahazo ahy ny resin'ny fahaketrahan'ny fanahy sy ory loatra tahaka izay tsapako nandritra ny volana vitsivitsy izay. Tsy azoko atao ny mihevitra ny fanahiko ho zava-maivamaivana ka hanao tsinontsinona ny Mpamonjiko amin'izany. Tsy azoko atao ny mampianatra fa nitsangana avy tao am-pasana i Jesosy ary niakatra ho any an-danitra sy manao fifonana ho antsika eo anatrehan'ny Ray, raha tsy efa mampihatra izany fampianarako izany aho ary mino ny Famonjeny ka hitondra ny fanahiko malemy eo amin'i Jesosy mba hanomezany ahy fahasoavana sy fahamarinana ary fiadanana sy fitiavana.

Ilaiko ny mitoky Aminy na inona na inona fiovaovana miseho eo amin'ny fihetsehampoko. (...) Tsy tokony hiovaova ny fitokiako Aminy (...) mba hiseho eo amiko ny vokatry ny fitoerana ao amin'Ilay nividy ahy tamin'ny rany sarobidy. Ilaintsika ny mianatra mino ny teny fikasana, mba hananantsika finoana mafy orina. (...)

 Andeha isika hivelona eo amin'ny fahazavan'ny hazo fijalian'i Kalvary. Aza mijanona ao amin'ny aloka intsony, aza mitaraina noho ny fahoriana fa manampy trotraka ny olantsika izany. Aoka tsy hohadinointsika fa na dia mamaky ny lohasaha aza isika, dia momba antsika i Kristy, rehefa mandeha amin-toky toy ny mandeha eny an-tendrombohitra isika. - Ms 61, 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal