"Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo." - Mat. 11:28,29.
Mofon’aina:
Tamin'ny alalan'ny fanalam-baraka ratsy indrindra no ni vidianan' ny Mpamon-jintsika ny taranak'olombelona. (...) Atorony antsika ny lalan-tokana mankamin'ny vavahady ety (...) Ahi-maitso midadasika sy tsara tarehy no ao ambadik' izany. Efa nosoritany ny lalana rehetra tokony haleha mba tsy hisy hanao fahadisoana. Ambarany antsika izay tokony hatao: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako." - Mat. 11:29,30. Izany no hany fomba hahafahana mamonjy ny mpanota. Fantatr'i Kristy fa tsy misy mahay mankato izany baiko izany amin'ny herin'ny tenany, ka milaza amintsika Izy mba tsy hatahotra (...) Hoy [zy: "Raha mitondra ny ziogako ianao, (...), dia ho herinao sy tanjakao Aho."
lreo izay mitondra ny ziogan' i Kristy ihany no afaka hahatakatra sy hisitraka ny fitahiana mifandray amin' ny fanasany. Rehefa manaiky izany fanasana izany ianao, dia manaisotra ny fitokianao sy ny fitiavanao amin'izao tontolo izao ka mametraka izany eo amin'izay ahafahanao misitraka ny fitahiana amin'ny firaisana ety amin' Andriamanitra. (...)
Efa notendren' Andriamanitra fa ny fanahy tsirairay izay mankato ny Teniny dia hanana ny fifaliany sy ny fiadanany ary ny hery izay manohana azy tsy tapaka. Ny lehilahy sy vehivavy tahaka izany dia ampanakaikezina Azy mandrakariva, tsy amin'ny fotoana andohalehany am im-pivavahana ihany, fa amin'ny fotoana anaovany ny asa aman-draharahany koa. Efa nanomanany toerana hiarahana mipetraka Aminy izy ireo, izay hanadiovana ny fiainana amin'ny faharatsiana sy ny zavatra rehetra tsy maha-te ho tia. (...)
Manasa antsika Izy hoe: "Mankanesa aty Ain iko. Ento ny ziogako. Tsy mitaky aminao ny zavatra tsy mbola nataoko Aho. Ny hany angatahiko aminao dia ny hanaraka ny Ohatra nasehoko. Mandehana eo amin'ny lalana efa voasoritro. Apetraho eo amin'izay misy ny dian-tongotro ny tongotrao." - RH, 23 Oktobra 1900.