Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatona ny Ray amin'ny alalany

Daty
Alakamisy 12 March 2026

"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amie 'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany." - Jao. 16:23.

Mofon’aina:
Mila  mivavaka amin'ny anaran'i Jesosy, Ilay Mpanalalantsika isika. Tsy misy lanjany ny vavaka ataontsika raha tsy asandratra amin'ny Anarany. Efa nototorany ilay hantsana nateraky ny fahotana. Nampiraisiny tamin'ny tenany sy tamin'ny Rainy ireo izay mino Azy, tamin'ny alalan'ny fanati-panavotana nataony. Tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena. (...)

Tsy tokony hovesaran' ny fieritreretana ny fahotana sy ny fahadisoana vitantsika isika, ka hitsahatra tsy hivavaka intsony. Misy olona sasany mahatsapa ny halehiben' ny kilemany sy ny fahotany ka manjary kivy. Asian'i Satana aizina manaloka eo anelanelan'izy ireo sy ny Tompo Jesosy, Ilay fanati-panavotana ho azy. Dia hoy izy ireo: "Tsy mety amiko ny mivavaka, mifangaro loatra amin'ny fisainan-dratsy izany ka tsy hohenoin'Andriamanitra". 

Avy amin'i Satana ny fisainana toy izany. Nanohitra sy naharesy izany fakam-panahy izany i Kristy tao amin'ny maha olombelona Azy, ary mahay mamonjy izay rehetra alaim-panahy toy izany koa. Ho antsika no nanaovany "fivavahana sy fangatahana nomban 'ny fitarainana mafv sy ny ranomaso be." — Heb. 5:7b. (...)

Raha azontsika natao ny mivavaka araka ny tokony ho izy amin'ny fahendrena sy ny herin'ny tenantsika ihany, dia ho afaka nanana fiainana marina araka ny tokony ho izy koa isika, ka tsy ho nila Ilay fanatitra nanavotana antsika. Saingy tsy misy tanteraka ny olombelona na iray aza. Beazo sy zaro ny sainao hahalala fa afaka manambara izay ilainao amim-pahatsorana amin'ny Tompo ianao. — ST, 18 Nôvambra 1903.

Fanirian'ny Tompo ny handrosoan-tsika amin'ny fi vavahana sy ny hanolorantsika fanati-panahy amin'ny finoana sy hery mitombo hatrany. (...) Ny Zanany mihitsy no efa nomeny ho fanavotana antsika. Raha manaiky Azy ho Mpamonjintsika amin'ny finoana velona isika, dia hahita sitraka am in' Andriamanitra, satria mijoro eo anatrehan'ny Rainy i Kristy, milaza hoe: "Apetraho eto Amiko ny fahotan'izy ireo. lzaho no hitondra ny fahamelohany. Ahy ireo. Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako izy ireo." Asehony eo anatrehan'ny Rainy ireo mariky ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, izay marika entiny mandritra ny mandrakizay. —Ms, 91, 1901.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal