Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Araka ny sitrapon'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 16 March 2026

«Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.» - 1 Jao. 5:14,15.

Mofon’aina:
Rehefa mivavaka mangataka fitahiana ara-nofo ianao, dia tsarovy fa mety ho hitan'ny Tompo fa tsy hahasoa anao, na tsy hanome voninahitra Azy ny hanomezany anao izay tena irin'ny fonao. Kanefa hamaly ny vavakao izy, ka hanome izay tsara indrindra ho anao.

Rehefa nivavaka i Paoly mba hesorina ilay tsilo tamin'ny nofony, dia novalian'ny Tompo ny vavaka nataony, tsy tamin'ny fanesorana ilay tsilo, fa tamin'ny fanomezana fahasoavana hahazakany ilay fitsapana. «Ampy ho anao ny fahasoavako» hoy Izy. Faly i Paoly noho izany valim-bavaka izany ka hoy izy: «Koa mainka sitrako ny hirehareha amin ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin 'i Kristy amiko.» - 2 Kôr. 12:9. — ST, 18 Nôvambra 1903.

Ampahafantaro ny Mpanao anao ny fangatahanao. Izay manatona Azy am in' ny fo torotoro tsy mba hatosiny na oviana na oviana. Tsy misy fivavahana marina very. Ao anatin'ireo hira fiderana ataon'ny mpihiran'ny lanitra, dia ren'Andriamanitra ny fitcrainan'ny olombelona malemy indrindra. Raha mamboraka ny fanirian'ny fontsika ao amin'ny efitranontsika mangina isika, na manonona fivavahana isika raha mandeha any an-dalana, dia mahatakatra ny seza fiandrianan' ny Mpanjakan' izao rehetra izao ny tenintsika. Mety tsy ho ren'ny sofin'olombelona izany, nefa tsy ho faty momoka ao amin'ny fahanginana, na ho verivery foana ao anatin'ny tabataban'ny asa aman-draharaha. Tsy misy afaka hampangina ny fanirian'ny fanahy. Miakatra any ambonin'ny horakoraky ny arabe sy ny fifanjevoan'ny vahoaka marobe, ho any amin'ny lapan'ny lanitra izany. Andriamanitra no itenenantsika ka reny ny fivavahantsika. Ianao izay rnahatsiaro ho tsy mendrika indrindra, aza matahotra ny mametraka ny momba anao eo amin'Andriamanitra. — HF, tt. 146,147.

Misy hery lehibe ao amin'ny vavaka. Tsy sasatra i Satana, ilay fahavalontsika lehibe, manao izay hampanalavitra ny fanahy kivy amin'Andriamanitra; kanefa ny olo-masina tsotra sy manetry tena indrindra dia atahoran'i Satana lavitra noho ny didim-panjakana na ny baikon'ny mpanjaka. - ST, 27 Oktôbra 1881.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal