Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"Amin'ny fonao rehetra"

Daty
Sabotsy 21 March 2026

 "Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin 'ny fonareo rehetra." – Jer. 29:13.

Mofon’aina:
Maro no tsy mbola nanao ilay fanandramana ara-panahy izay tena ilainy mba hahafahany mijoro tsy manan-tsiny eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Avelan' Andriamanitra handalo ao amin'ny memin'ny fahoriana izy ireo, mba hialan'ny tain-drendrika, hanadiovany azy ireo ho afaka amin'ny loton'ny fahotana sy ny fitiavan-tena, ka ho tonga amin'ny fahalalana marina an'Andriamanitra sy ny fifankazarana amin'i Jesosy Kristy, amin'ny alalan'ny fiaraha-mandeha Aminy, tahaka ny nataon' i Enoka. (...)

 Ny fivavahana marain-tsy hariva, araka ny fahazarana, dia tsy voatery hisy hafanam-po sy hahomby mandrakariva. Ho an'ny maro dia famerimberenana teny miantso torimaso, mahamonamonaina, sy tsy avy amin'ny fo izany, ka tsy mipaka any an-tsofin'Andriamanitra. Tsy ilain'Andriamanitra ny fanajantsika Azy ara-pomba fotsiny, fa ny fo torotoro, ny fiaiken-keloka, ny fanahy mangorakoraka no henoiny. (...)

Tokony ho feno fitiavana lalina an' i Jesosy isika, hany ka horaisintsika ho tombontsoa ny miari-pahoriana noho ny Aminy, eny, ny ho faty aza. Azontsika ambara amin'ny Tompo avokoa ny momba ny fitsapana rehetra atrehintsika, ny fahalementsika, ny fiankinantsika tanteraka amin'ny heriny sy ny fahefany. Izany no tena vavaka. Raha misy fotoana ilana indrindra ny Fanahin'ny fahasoavana sy ny fitalahoana hirotsaka amintsika, ka Andriamanitra mihitsy no manampy antsika amin'ny vavaka, dia izao ankehitriny izao izany. Tokony hoentina eo amin'ny fiangonana tsirairay ny teny fikasana, ary antitranterina ny fahatsoran'ny fahamarinana. "Mangataha, dia hahazo hianareo" – Jao. 16:24. Izany no finoana, ilay finoana velona ilaintsika. (...)

Hitondra sy hitarika ny vahoakany ny Tompo. Ho tonga avy amin'Andriamanitra ny baiko, tahaka ny tamin'i Daniela, mba hanampy ireo izay mitalaho amin-kafanam-po eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny fahasoavany amin'ny andro mahory.

Mila manokatra ny fontsika ho an'i Kristy isika. Mila finoana matanjaka kokoa sy fanoloran-tena lalina kokoa isika. (...) Raha hitady ny Tompo amin'ny fontsika rehetra isika, dia hahita Azy, ary hamirapiratra ao am-pontsika ny fitiavany. Tonga tsinontsinona ny "izaho", ary Jesosy no manjary zava-drehetra ao amin'ny zavatra rehetra ho an'ny fanahy. – TFC, b. 6, t. 51. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal