"Fa ny fanantenana no amonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? " Rôm. 8:24.
Mofon’aina:
Mametraka izao fanontaniana izao ny Mpamonjintsika: ”raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy?" – Lio. 18:8. Midika izany fa efa mila tsy hisy intsony ny tena finoana marina. Marina tokoa fa manimba ny fitokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Asany ny toe-tsaina feno fisalasalana sy fitsikerana ary fitadiavana lesoka. Tsy hain’ny saina araka ny nofo ny hahatakatra na hankasitraka ny asan’Andriamanitra. (...) Fa izay manana fo mietry ka manaraka ny fahazavana mitaratra eo aminy kosa dia handray fahazavana bebe kokoa, ary ireo izay mandà tsy hankatô mandra-pahitany ny antony rehetra tsy hisalasalana dia ho tavela ao amin’ny haizina. – Ms 10, 1883.
Andriamanitra dia manome porofo ampy hahafahantsika manaiky ny fahamarinana amin’ny fahazavana sy fahatakarana, saingy tsy manolo-tena hanaisotra ny antony rehetra mety hiteraka fisalasalana sy tsy finoana Izy. Raha manao izany Izy, dia tsy hilaina intsony ny hampiasa ny finoana, satria handeha amin’ny fahitana isika. Izay rehetra mandalina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny toe-tsaina manaiky ampianarina dia hianatra ao ny momba ny lalam-pamonjena, na dia tsy takany amin’ny fahafenoana aza ny Soratra Masina rehetra. (...) Izay rehetra voalazan’ny Tenin’Andriamanitra dia tokony hekentsika, ka tsy handray ny fisalasalana rehetra mety hasisik’i Satana isika, ary tsy hampiasa ny saintsika voafetra hoenti-manakatra ny torohevitr’Ilay tsy manam-petra na koa hitsikera ny fisehoan’ny Fahasoavany na ny Fahefany. (...)
Raha katsahintsika amim-panetren-tena ny hahalala ny sitrapon’Andriamanitra araka izay voambara ao amin’ny Teniny, ary koa ankatoavintsika izany Sitrapony izany rehefa takatsika mazava, dia ho tafaorina eo amin’ny fahamarinana isika. Hoy i Kristy: "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.” – Jao. 7:17. (...)
Andeha isika hanakaiky hatrany ny fahazavana madion’ny Lanitra ka hahatsiaro fa ny fanazavana avy any ambony dia hitombo arakaraka ny handrosoantsika (...). Miandalana ny lalan’ny marina, avy amin’ny hery mankamin’ny hery, avy amin’ny fahasoavana ho amin’ny fahasoavana. ary avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra. – ST, 23 Jona 1887.